bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 12
Ezekiel 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 13 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, ianao dia monina eto amin’ny taranaka maditra izay mana-maso hahitana nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana nefa tsy mandre, fa taranaka maditra izy.
3
Koa ianao, ry zanak’olona, mifeheza ny entan’ny babo ka miaingà amin’ny andro antoandro eo imasony! Ary mialà eo imasony eo amin’izay itoeranao ho any amin’ny toerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
4
Havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan’ny babo; fa ny tenanao kosa dia hivoaka eo imasony amin’ny hariva, toy ny fivoakan’ny babo.
5
Gorobahy eo imasony ny manda ka ao no amoahy ny entanao.
6
Ataovy an-tsoroka eo imasony izany ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; saròny ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa nataoko ho famantarana ho an’ny taranak’Israely ianao.
7
Dia nanatanteraka izay nandidiana ahy aho ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy ny entan’ny babo. Nony hariva dia nogorobahiko tamin’ny tanako ny manda, koa nony efa maizina dia maizina ny andro dia nentiko nivoaka ny entana ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
8
Nony maraina dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
9
Ry zanak’olona, moa ny taranak’Israely, izay taranaka maditra, tsy nanontany anao va hoe: Inona izao ataonao izao?
10
Ambarao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ity faminaniana ny loza ity dia momba ny mpanjakan’i Jerosalema sy ny taranak’Israely rehetra izay ao aminy.
11
Lazao hoe: Izaho dia famantarana ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin’ireo: Ho lasan-ko babo izy.
12
Ary ny mpanjaka izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hogorobahin’ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan’ny masony ny tany.
13
Hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka ho azon’ny harato izy; dia hoentiko any Babilona any amin’ny tanin’ny Kaldeana izy nefa tsy hahita izany izy ary ho faty any ihany.
14
Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra sady hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy Aho.
15
Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa ahahako any amin’ny Jentilisa sy ampieleziko any amin’ny tany samihafa izy.
16
Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin’ny Jentilisa izay alehany. Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
17
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
18
Ry zanak’olona, hano amin-korohoro ny haninao ary sotroy amin-kovitra sy amin’ahiahy ny ranonao.
19
Ary lazao amin’ny vahoaka hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra ny amin’ny mponina ao Jerosalema, ao amin’ny tanin’ny Israely: Amin’ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amin’ny fahaverezan-kevitra no hisotroany ny ranony satria ho foana tanteraka ny taniny ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny hetraketraka nataon’izay rehetra monina ao aminy.
20
Ho rava ny tanàna onenana ary ho lao ny tany. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
21
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
22
Ry zanak’olona, ahoana moa izao oha-teny ataonareo ao amin’ny tanin’ny Israely izao hoe: Mandeha ny fotoana, ary tsy misy vanona ny fahitana rehetra?
23
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hatsahatro izany oha-teny izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ny Israely intsony. Fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ny fahitana rehetra.
24
Fa tsy hisy fahitana foana na faminaniana mandrobo intsony ao amin’ny taranak’Israely.
25
Fa Izaho no TOMPO. Hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho to tokoa; tsy hahemotra intsony izany fa ho amin’ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
26
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
27
Ry zanak’olona, indro, ny taranak’Israely dia miteny hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ny fotoana mbola lavitra no vinanìny.
28
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tsy hahemotra intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48