bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 38
Ezekiel 38
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 39 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, manandrifia an’i Goga avy any amin’ny tany Magoga, izay mpanjakan’i Rosy sy i Meseka ary i Tobala, ary maminania ny hamelezana azy
3
ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’i Rosy sy i Meseka ary i Tobala.
4
Hitaritarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao ary hoentiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly izay samy mitafy marevaka, dia olona marobe mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
5
miaraka aminy ny Persiana, i Kosy ary i Pota, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,
6
i Gomera koa mbamin’ny miaramilany rehetra, ny taranak’i Togarma avy any amin’ny farany avaratra mbamin’ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
7
Miomàna ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo mpomba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpiaro azy.
8
Rehefa afaka andro maro dia hantsoina ianao; any aoriana any dia ho tonga any amin’ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ny sabatra ianao, dia ny tanin’ny olona izay novoriana avy tany amin’ny firenena maro, any amin’ny tendrombohitry ny Israely izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ny firenena izy ka mandry fehizay izy rehetra.
9
Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fiavin’ny rivo-doza no hiavianao, ho tahaka ny rahona hanarona ny tany, dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ny firenena maro izay miaraka aminao.
10
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamorona hevi-dratsy ianao
11
ka hiteny hoe: Hiakatra hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda aho; hankany amin’izay mandry fehizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
12
mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin’ny Jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin’ny foiben’ny tany.
13
I Sheba sy i Dedana ary ny mpivaro-mandehan’i Tarsisy rehetra mbamin’ireo lionany tanora rehetra dia hiteny aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
14
Koa maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’i Goga hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’izany andro hitoeran’ny Israely oloko mandry fehizay izany, moa tsy ho fantatrao va izany?
15
Ho tonga avy any amin’ny fonenanao avy any amin’ny farany avaratra ianao mbamin’ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka;
16
ary hiakatra hamely ny Israely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao. Any aoriana any no ho tonga izany. Hoentiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin’ny ataoko aminao, ry Goga!
17
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin’ny fahiny, dia ny mpaminanin’ny Israely, izay naminany ela tamin’izany andro izany ny hampiakarako anao hamely azy?
18
Amin’izany andro izany, dia ny andro hiavian’i Goga hamely ny tanin’ny Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia hiefonefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
19
Fa amin’ny fahasaro-piaroko sy ny afon’ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin’izany andro izany dia hisy horohoron-tany mafy any amin’ny tanin’ny Israely
20
ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina, ny voromanidina, ny bibidia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin’ny tany, ary ny olona rehetra ambonin’ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoa ny fiakarana mideza, ary hirodana ny ampiantany rehetra.
21
Dia hiantso sabatra hamely azy eny amin’ny tendrombohitro rehetra Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Hifamely sabatra amin’ny namany avy izy rehetra.
22
Ary hamaly azy amin’ny areti-mandringana, ny ra, ny ranonorana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ny miaramilany mbamin’ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.
23
Dia hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako, ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48