bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 34
Ezekiel 34
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 35 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Israely! Eny, maminania ka lazao aminy, amin’ny mpiandry hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny mpiandry ondrin’ny Israely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ny mpiandry?
3
Ny taviny dia haninareo, ary ny volony dia itafinareo; ny nafahy dia vonoinareo nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.
4
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na nifehy izay tapaka ny tongony, na mamerina ny diso lalana, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny nanjakazakanareo taminy.
5
Dia miely izy satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy dia tonga rembin’ny bibidia rehetra.
6
Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana rehetra ny ondriko; eny, any amin’ny tany rehetra no ielezan’ny ondriko ary tsy misy mitady na miahy azy.
7
Koa mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry mpiandry ondry:
8
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, noho ny ondriko tonga babo sy ny ondriko tonga rembin’ny bibidia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, ary tsy nitady ny ondriko ny mpiandry fa ny mamahan-tena kosa no ataony ka tsy namahana ny ondriko,
9
dia mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry mpiandry ondry!
10
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry fa hosarihiko avy eo am-bavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
11
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy hikarakara azy.
12
Toy ny fikarakaran’ny mpiandry ny ondriny rehefa eo anivon’ny ondriny izay efa niely izy, dia toy izany no hikarakarako ny ondriko sy hisarihako azy avy amin’ny toerana rehetra nielezany tamin’ny andro mandrahona sy feno haizim-pito.
13
Hoentiko mivoaka avy any amin’ny firenena izy ka hangoniko avy any amin’ny tany samihafa; hoentiko any amin’ny taniny izy ary handrasako eny amin’ny tendrombohitry ny Israely sy eny amin’ny lohasahan-driaka ary eny amin’izay tsara honenana rehetra eo amin’ny tany.
14
Eny amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy ary eny amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no ho tany hiandrasana azy; any no handriany amin’ny tany tsara ary eny amin’ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any amin’ny tendrombohitry ny Israely.
15
Izaho no hiandry ny ondriko ary Izaho no hampandry azy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
16
Ny very dia hotadiaviko, ny diso lalana haveriko, ny naratra hotsaboiko, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako. Handrasako amin’ny fitondrana tsara ny ondriko.
17
Fa ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hotsaraiko ny adin’ny ondry aman’osy amin’ny namany, dia ny ady ataon’ny ondrilahy amin’ny osilahy.
18
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara no dia nohosihosen’ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny nisotroanareo ny rano madio no dia nolotoin’ny tongotrareo ny sisa?
19
Ary ny amin’ny ondriko, moa izay voahosihosin’ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton’ny tongotrareo va no hosotroiny?
20
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin’ny ondry matavy amin’ny ondry mahia.
21
Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy ka aronjinareo ho any ivelany izy,
22
dia hovonjeko ny ondriko ka tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin’ny ondry amin’ny ondry namany.
23
Hanangana mpiandry tokana ho azy, izay hiandry azy Aho, dia i Davida mpanompoko. Izy no hitondra azy, ary izy no ho mpiandry azy.
24
Izaho TOMPO no ho Andriamaniny, ary i Davida mpanompoko no ho Mpanapaka aminy. Izaho TOMPO no niteny izany.
25
Hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin’ny tany intsony, dia handry fehizay izy na dia any an-tany efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
26
Izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitahiana, ary hampilatsaka ranonorana amin’ny fotoanany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
27
Hamoa ny hazo any an-tsaha sady hahavokatra ny tany, ary handry fehizay amin’ny tany izy; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, rehefa tapahiko ny ziogany, ary hafahako amin’ny tanan’izay nampanompo azy izy.
28
Tsy ho babon’ny Jentilisa na ho rembin’ny bibidia intsony izy fa handry fehizay, ary tsy hisy hampitahotra azy.
29
Ary hampaniry saha malaza ho azy Aho ka tsy ho ritran’ny mosary amin’ny tany intsony izy na hitondra ny latsan’ny Jentilisa intsony;
30
dia ho fantany fa Izaho, NY TOMPO Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak’Israely, no oloko, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
31
Ary ny aminareo ondriko, izay ondry andrasako, olombelona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48