bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 17
Ezekiel 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 18 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, manaova ankamantatra, ary milazà oha-teny amin’ny taranak’Israely
3
ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon’elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra. Tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra tamin’ny rantsan’ny sedera.
4
Ny tendron’ny tarony dia nolaingosany ka noentiny ho any amin’ny tanin’ny mpivarotra, eny, tany amin’ny tanànan’ny mpivaro-mandeha no nametrahany azy.
5
Nanalany koa ny voan-javatra tamin’ny tany ka namboleny tao amin’ny tany lonaka. Noentiny ho eo amoron’ny rano betsaka iny ka nataony araka ny fanao amin’ny hazomalahelo.
6
Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka mba hitodihan’ny rantsany ho eo amin’ilay voromahery ary ny fotony ho ao ambaniny; koa tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
7
Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny vahany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin’ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
8
Voavoly tao amin’ny saha tsara teo amoron’ny rano betsaka izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.
9
Lazaonao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny vahany ary hotazana ny voany mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra raha vao mitsimoka ka tsy ilàna sandry mahery na vahoaka betsaka akory hanongotra azy amin’ny fotony.
10
Koa indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy raha asian’ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin’ny tany voafaritra naniriany izy.
11
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
12
Lazao amin’ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr’ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’i Babilona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao dia nitondra azy ho any aminy any Babilona.
13
Ary naka ny iray tamin’ny taranaky ny mpanjaka izy dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin’ny tany dia noentiny nandeha,
14
mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, ary hitandrina ny fanekeny mba haharitra.
15
Nikomy taminy anefa izy ireo ka nandefa iraka hankany Ejipta mba hanome soavaly sy olona maro azy. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy ka ho afa-mandositra va?
16
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia any amin’ny tanin’ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy, nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny, eny, any amin’io, any Babilona, no hahafatesany.
17
Ary rehefa asandratra ireo manda fanafihana sy atototra ny tovon-tany handringanana olona maro dia tsy hanampy azy amin’ny ady akory i Farao na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza izy.
18
Fa nanamavo ny fianianana izy tamin’ny nivadihany ny fanekena, fa e! Efa nanaiky izy, kanefa dia izany rehetra izany no nataony ka tsy ho afa-mandositra izy!
19
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
20
Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy ka ho azon’ny haratoko izy, ary ho entiko any Babilona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
21
Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon’ny sabatra, ary izay sisa tavela dia haely ho eny amin’ny rivotra rehetra, dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany.
22
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izaho haka amin’ny rantsana avo indrindra amin’ny sedera avo ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ny laingony milenodenoka ka hamboleko ao amin’ny tendrombohitra avo sy milangalanga.
23
Ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samihafa rehetra dia hitoetra ao aminy; ao amin’ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
24
Dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho TOMPO no nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva, ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho TOMPO no niteny sady nanao izany.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48