bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 32
Ezekiel 32
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 33 →
1
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa amby folo, tamin’ny taona faharoa amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta ka lazao aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin’ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin’ny ranomasina; nitsoriaka teny amin’ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin’ny tongotrao ka nahaloto ny ony.
3
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny firenena betsaka tafatambatra no hoentiko mamelatra ny haratoko aminao ary hakarin’ireny amin’ny haratoko ianao.
4
Hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voromanidina rehetra ka homeko hivokisan’ny bibidia rehetra ny tenanao.
5
Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.
6
Hataoko safotry ny ranao ny tany, hatramin’ny tendrombohitra aza; ary ho feno anao ny ony.
7
Rehefa vonoiko ny fahazavanao dia hosaronako ny lanitra; hotafiako lamba fisaonana ny kintany; ny masoandro dia hotakonako rahona ary ny volana dia tsy hangarangarana.
8
Eny, noho ny aminao dia hotafiako lamba fisaonana avokoa ireny fanazavana eny amin’ny lanitra ireny ary hosaronako haizina ny taninao, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
9
Hataoko sosotra ny fon’ny firenena maro rehefa ampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia ny amin’ny tany izay tsy fantatrao.
10
Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, rehefa asidiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava noho ny ainy izy amin’ny andro haharavanao.
11
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny sabatry ny mpanjakan’i Babilona dia ho tonga aminao.
12
Ny sabatry ny mahery izay samy masiaka indrindra amin’ny firenena, no hoentiko mandavo ny vahoakanao marobe, dia horavany ny reharehan’i Ejipta ka ho fongotra ny vahoakany marobe rehetra.
13
Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron’ny ranobe, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona na handoto azy ny kitron’ny biby fiompy.
14
Dia hampandriako ny ranony ka hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy NY TOMPO Andriamanitra,
15
Rehefa ataoko lao ny tany Ejipta ka hofoanako amin’ny tany izay rehetra nahafeno azy teo; haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
16
Izany no hira fahalahelovana hataon’ny olona. Ny zanakavavin’ny firenena no hihira izany; eny, ho fisaonana an’i Ejipta sy ny vahoakany marobe rehetra no hihirany izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
17
Tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana, tamin’ny taona faharoa amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
18
Ry zanak’olona, isaony ny vahoaka maroben’i Ejipta, ary ampidino izy mbamin’ny zanakavavin’ny firenena malaza ho any ambanin’ny tany, miaraka amin’izay midina any an-davaka!
19
Mihoatra noho ny an’iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna ka mandria miaraka amin’izay tsy voafora!
20
Any amin’ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; ny sabatra dia efa voatolotra: Tariho i Ejipta mbamin’ny vahoakany marobe rehetra!
21
Izy sy ny nanampy azy no resahin’ireo malaza amin’ny lehilahy mahery any amin’ny fitoeran’ny maty: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.
22
Ao koa i Asiria mbamin’ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra.
23
Natao any amin’ny lavaka farany ambany ny fasany, ary ny vahoakany marobe dia manodidina ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin’ny tanin’ny velona.
24
Ao koa i Elama mbamin’ny vahoakany marobe rehetra manodidina ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra ka tafidina tsy voafora ho any ambanin’ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ny tanin’ny velona, samy mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka.
25
Teo amin’ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin’ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany, izy rehetra dia samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra satria niely tany amin’ny tanin’ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka izy; teo amin’ny voatrabaka no nametrahany azy.
26
Ao koa i Meseka, i Tobala mbamin’ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ny tanin’ny velona izy.
27
Tsy hiara-mandry amin’ny lehilahy mahery izay lavo isan’ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin’ny fitoeran’ny maty ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin’ny lohany ny sabany, ary ao amin’ny taolany ny helony satria nampahatahotra ny mahery tany amin’ny tanin’ny velona izy.
28
Eny, ianao dia haripaka eo amin’ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin’ny voatrabaky ny sabatra!
29
Ao koa i Edoma mbamin’ny mpanjakany sy ny mpitarika rehetra tao aminy, izay natao ao amin’ny voatrabaky ny sabatra na dia be aza ny heriny; miara-miampatra amin’ny tsy voafora izy, sy amin’izay midina any an-davaka.
30
Ao koa ireo mpanapaka ny any avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra izay niara-nidina tamin’ny voatrabaka; menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza; miampatra ny tsy voafora miaraka amin’izay voatrabaky ny sabatra ka mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka.
31
Ireny dia ho hitan’i Farao ka hionona ny amin’ny vahoakany marobe izy. Voatrabaky ny sabatra i Farao mbamin’ny miaramilany rehetra, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
32
Fa efa nahatonga ny fahatahorana Ahy any amin’ny tanin’ny velona Aho; ary i Farao dia hampandriana any amin’ny tsy voafora, miaraka amin’ireo voatrabaky ny sabatra, dia i Farao mbamin’ny vahoakany marobe rehetra, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48