bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 7
Ezekiel 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 8 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ary ianao, ry zanak’olona, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tanin’ny Israely: Injao ny farany! Eny, efa mby akaiky ny farany ho amin’ny vazan-tany efatra!
3
Ankehitriny dia efa mby akaikinao ny farany, ary halefako aminao ny fahatezerako dia hotsaraiko araka ny lalanao ianao ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
4
Tsy hiantra anao ny masoko sady tsy hamindra fo Aho; fa hatambesatro aminao ny lalanao ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
5
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Injao! Avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy!
6
Njao ny farany! Eny, efa akaiky ny farany! Mifoha hamely anao izany! Indro, efa mby akaiky iny!
7
Efa akaiky ny anjaranao, ry mponina amin’ny tany! Efa akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro! Akoran’ady fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra!
8
Vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako, ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako ka hotsaraiko araka ny lalanao ianao, ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
9
Tsy hiantra anao ny masoko sady tsy hamindra fo Aho; hatambesatro aminao ny lalanao, ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no mamely.
10
Indro ny andro, indro efa akaiky izany! Miseho ny anjaranao! Mamony ny tsorakazo! Manorobona ny avonavona!
11
Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsorakazo hamelezan’ny faharatsiana; tsy hisy tavela intsony aminy, na ny hamaroany na ny harenany na ny zava-mendrika eo aminy.
12
Efa mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro! Aoka tsy hifaly ny mpividy ary aoka halahelo ny mpivarotra! Fa iharan’ny fahatezerana mirehitra ny harembeny rehetra.
13
Fa ny mpivarotra dia tsy hifodian’izay efa lafony na dia mbola isan’ny velona aza izy; fa ny fahitana ny amin’ny hanjo ny harembe dia tsy hitsoaka, ary tsy hisy hamonjy ny ainy amin’ny helony.
14
Efa notsofina ny trompetra ka vonona ny zavatra rehetra nefa tsy misy mankany amin’ny ady satria iharan’ny fahatezerako mirehitra ny harembe rehetra.
15
Ny sabatra no eny ivelany ary ny areti-mandringana sy ny mosary no ao an-trano! Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon’ny mosary sy ny areti-mandringana.
16
Ary na dia misy afa-mandositra aza dia ho eny an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha: Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
17
Hiraviravy ny tanana rehetra ary ho toy ny rano ny lohalika rehetra.
18
Hisikina lamba fisaonana izy ka hanafotra azy ny horohoro; ho menatra ny tava rehetra ary ho voasola ny lohan’izy rehetra.
19
Ny volafotsiny dia hariany eny an-dalambe ary ny volamenany dia hataony ho zava-maloto; ny volafotsiny sy ny volamenany dia tsy hahavonjy azy amin’ny andron’ny fahatezeran’NY TOMPO; tsy hahavoky ny tendany na hahafeno ny kibony izany satria izany no nahatonga heloka ho azy.
20
Nataony firavaka tsara tarehy hoentiny mirehareha ireny sady noentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-maharikoriko nataony. Koa izany no hanaovako azy ireny ho zava-maloto.
21
Hatolotro ho babo eny an-tanan’ny hafa firenena izy, eny, ho babo ho an’ny ratsy fanahy amin’ny tany ka holotoin’ireny izy.
22
Dia hiamboho azy koa Aho ka holotoina ny rakitro, fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
23
Manefe gadra! Fa feno fitsarana mandatsa-dra ny tany ary feno fampahoriana ny tanàna.
24
Koa hitondra izay firenena ratsy indrindra Aho ka ho lasan’ireny ny tranony; ary hatsahatro ny avonavon’ny mahery sady holotoina ny fitoerany masina.
25
Ho avy ny fampangovitana! Hitady fiadanana izy nefa tsy hisy izany!
26
Mifanontona ny fandravana, mifandimby ny filazan-doza; dia manontany fahitana amin’ny mpaminany izy nefa tsy misy lalàna intsony amin’ny mpisorona, na fahendrena amin’ny zokiolona.
27
Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahaverezan-kevitra ny andriana, hangovitra ny tanan’ny vahoaka. Araka ny lalany ihany no hataoko aminy, ary hotsaraiko araka ny fitsarana nataony izy dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48