bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 45
Ezekiel 45
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 46 →
1
Rehefa zarainareo araka ny antsapaka ny tany ho lova dia hisy hatokanareo ho fanomezana ho an’NY TOMPO, dia anjara masina eo amin’ny tany; ny lavany dia dimy arivo sy roa alina ary ny sakany dia iray alina. Ho masina any amin’ny faritaniny rehetra manodidina izany.
2
Io dia hanalana efamira ho an’ny fitoerana masina, dimanjato ny lavany ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimampolo hakiho ny tany malalaka manodidina azy.
3
Eny, ao amin’izany tany voarefy izany, izay dimy arivo sy roa alina ny lavany ary iray alina ny sakany izany, dia handrefesanao faritra ho an’ny fitoerana masina, dia ny masina indrindra.
4
Ho faritra masina amin’ny tany izany ka ho an’ny mpisorona, mpanao fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia izay manakaiky hanao fanompoana ho an’NY TOMPO, ary ho faritra ho an’ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina.
5
Ity faritra ity, izay dimy arivo sy roa alina ny lavany ary iray alina ny sakany, no ho an’ny levita mpanao fanompoana ao amin’ny Trano; zaratany ho azy izany, misy efitrano roapolo.
6
Homenareo koa ny zaratany ho an’ny tanàna, dimy arivo ny sakany ary dimy arivo sy roa alina ny lavany, mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana; ho an’ny taranak’Israely rehetra izany.
7
Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo an-daniny roa amin’ny anjara masina voatokana sy amin’ny zaratany ho an’ny tanàna, dia ny mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin’ny zaratany ho an’ny tanàna, hatreo amin’ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin’ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ny lavany dia mitovy amin’ny lavan’ny zaratany ho an’ny firenena iray, hatrany andrefana ka hatrany atsinanana.
8
Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin’ny Israely; ireo mpanjakako dia tsy hampahory ny oloko intsony fa hahafoy ny tany ho an’ny taranak’Israely isam-pokony avy.
9
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Aoka izay, ry mpanjakan’ny Israely! Ajanòny ny halozana sy ny fampahoriana ary manaova fitsarana sy fahamarinana. Atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
10
Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
11
Hitovy habe ny efaha sy ny bata, ary ny bata dia hahalany ny ampahafolon’ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon’ny homera. Ny homera no handrefesana azy.
12
Ny sekela dia roapolo gera; sekela roapolo miampy sekela dimy amby roapolo ary sekela dimy amby folo ny mane eo aminareo.
13
Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin’ny efaha isaky ny homeran’ny varimbazaha iray; haloanareo koa ny ampahenin’ny efaha isaky ny homeran’ny varimbazaha iray hafa.
14
Ny didy ny amin’ny diloilo, dia ny diloilo iray bata: Ampahafolon’ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo satria bata folo no homera iray.
15
Ary ondry iray amin’ny roanjato amin’ny tanin’ny Israely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana manontolo ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ny vahoaka, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
16
Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an’ny mpanjakan’ny Israely.
17
Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra aidina amin’ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin’ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman’ny taranak’Israely; eny, izy no hiantoka ny fanatitra ho fanadiovana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ny taranak’Israely.
18
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’ny andro voalohany amin’ny volana voalohany dia haka vantotra ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masina.
19
Ary hanalan’ny mpisorona ny ran’ny fanatitra ho fanadiovana ka hatentiny amin’ny tolanan’ny Trano sy amin’ny zorony efatra amin’ny lafin’ny alitara ary amin’ny tolanan’ny vavahadin’ny kianja anatiny.
20
Toy izany koa no hataonao amin’ny andro fahafito amin’ny volana ho an’ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, koa izany no hanadiovanareo ny Trano.
21
Amin’ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska. Andro firavoravoana hafitoana izany, koa mofo tsy misy masirasira no hohanina.
22
Amin’izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotra ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an’ny tenany sy ny vahoaka rehetra.
23
Amin’ny andro firavoravoana hafitoana dia hanolotra fanatitra dorana manontolo isanandro mandritra ny hafitoana ho an’NY TOMPO izy, dia vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isanandro hataony fanatitra noho ny ota.
24
Ary hanolotra ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa izy, dia iray efaha isam-bantotra ombilahy sy iray efaha isan’ondrilahy, ary diloilo eran’ny hina isan’efaha.
25
Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito, amin’ny andro firavoravoana, dia hanolotra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota na ny fanatitra dorana manontolo na ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, na ny diloilo.
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 46 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48