bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 33
Ezekiel 33
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 34 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, mitenena amin’ny zanaky ny firenenao ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin’ny tany iray Aho, ary ny tompon-tany dia maka lehilahy iray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
3
ary hitan-dRalehilahy fa indro, avy ny sabatra ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,
4
nefa tsy mety taitra izay mandre ny feon’ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny rany.
5
Nandre ny feon’ny anjomara ihany izy nefa tsy nety taitra: Ho eo aminy ihany ny rany. Fa raha nety taitra izy dia ho nahavonjy ny ainy ihany.
6
Fa raha hitan’ilay mpitily kosa fa indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ny helony ihany iny; nefa ny rany dia hadiniko amin’ny tanan’ilay mpitily.
7
Koa ianao, ry zanak’olona, dia notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’Israely, koa raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao dia izany no hoentinao mananatra azy.
8
Raha hoy Aho amin’ny ratsy fanahy: E! Ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao, nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ny alehany, dia ho fatin’ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny rany dia hadiniko amin’ny tananao.
9
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany ratsy ihany kosa ianao, fa izy no tsy mety miala amin’izany, dia ho fatin’ny helony ihany izy nefa voavonjinao ny ainao.
10
Ary ianao, ry zanak’olona, mitenena amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay ka mihalevona amin’izany izahay, dia nahoana no mbola velona ihany izahay?
11
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalanareo ratsy, fa nahoana no te ho faty ianareo, ry taranak’Israely?
12
Ary ianao, ry zanak’olona, lazao amin’ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan’ny marina dia tsy hahavonjy azy amin’ny andro ahadisoany, ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy amin’ny andro ialany amin’ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany amin’ny andro anotany.
13
Raha lazaiko ny amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa izy, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
14
Ary koa, raha hoy kosa Aho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin’ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy
15
ka mamerina ny natao antoka sady mampody izay nangalariny, ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.
16
Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy ka ho velona tokoa.
17
Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Nefa ny lalan’ny tenany no tsy marina.
18
Raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka dia ho faty amin’izany izy.
19
Ary raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy dia ho velona amin’izany izy.
20
Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. E! Ry taranak’Israely, samy hotsaraiko araka ny lalany avy ianareo.
21
Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona faharoa amby folo taorianan’ny namaboana antsika, no nisy olona nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanambara hoe: Azo ny tanàna!
22
Efa tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO tamin’ny omaly harivan’ny andro nahatongavan’ilay nandositra izay tonga tao amiko ka nosokafany ny vavako raha tsy mbola tonga ilay mpandositra izay tonga tao amiko nony maraina. Efa nisokatra ny vavako ka tsy moana intsony aho.
23
Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
24
Ry zanak’olona, ny monina amin’ireny rava amin’ny tanin’ny Israely ireny dia miteny hoe: Irery ihany i Abrahama nefa nandova ny tany izy; fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ho lovantsika ny tany!
25
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Homan-javatra misy ra sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-dra; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
26
Mitoky amin’ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ary samy mandoto ny vadin’ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
27
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ny sabatra izay ao amin’ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ny bibidia, ary izay any amin’ny fierena any an-tendrombohitra sy any amin’ny lavabato dia ho fatin’ny areti-mandringana.
28
Fa hataoko rava sy lao ny tany ary hitsahatra ny fiavonavonan’ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Israely ka tsy hisy handia azy.
29
Dia ho fantany fa Izaho no TOMPO rehefa ataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
30
Ary ianao, ry zanak’olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ny tranony ka samy milaza amin’ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’NY TOMPO.
31
Dia tonga maro ao aminao izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa indro, teny mamy no lazain’ny vavany, nefa ny fony dia manaraka ny filan-karena.
32
Koa indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry. Mandre ny teninao izy nefa tsy mety mankatò azy.
33
Rehefa tanteraka izany zavatra izany, ary efa ho tanteraka, dia ho fantany fa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48