bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 23
Ezekiel 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 24 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra hoe:
2
Ry zanak’olona, nisy vehivavy mirahavavy, iray reny.
3
Nijangajanga tany Ejipta izy; tany no nisafosafoana ny tratrany, ary tany no nitsapatsapana ny nonon’ny faha-virijininy.
4
Ny anaran’ny zokiny dia Ohola ary ny rahavaviny dia Oholiba, ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin’ny anarany: i Samaria no Ohola ary i Jerosalema no Oholiba.
5
Ary raha mbola vadiko i Ohola dia nijangajanga izy; maimay izy tamin’ireo mpitia azy, dia ny Asiriana mifanakaiky aminy,
6
izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tanora bikana izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.
7
Nijangajanga tamin’ireny izy, dia tamin’izay tsara indrindra tamin’ny zanakalahin’i Asiria sy tamin’izay rehetra nahamaimay azy; tamin’ny sampiny rehetra no nandotoany tena.
8
Ny fijangajangana izay fanaony hatrany Ejipta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian’ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran’ny faha-virijininy sady nanaram-po nijangajanga taminy.
9
Noho izany dia natolotro ho eo an-tanan’ireo mpitia azy izy, dia eo an-tanan’ny Asiriana izay nahamaimay azy.
10
Ireny no mampiseho ny fitanjahany; ny zanany lahy sy ny zanany vavy dia lasan’ireny, ary ny tenany dia novonoiny tamin’ny sabatra ka tonga ambentinteny tamin’ny vehivavy izy ary niharan’ny fitsarana.
11
Nony hitan’i Oholiba rahavaviny izany dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany dia manoatra noho ny an’ny rahavaviny.
12
Maimay tamin’ny Asiriana mifanakaiky aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tanora bikana izy rehetra.
13
Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan’izy mirahavavy;
14
Ary mbola nampitomboiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sary olona voasoratra teo amin’ny rindrina izy sy ny sarin’ny Kaldeana voasoratra tamin’ny loko mena.
15
Samy nanao fehikibo izy ary fehiloha nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny zanak’andriana, dia tahaka ny zanakalahin’i Babilona izay teraka tany amin’ny tany Kaldea.
16
Ary raha vao hitan’ny masony ireny dia maimay taminy izy ka nandefa iraka ho any aminy tany Kaldea.
17
Dia tonga tany aminy ho ao amin’ny fandrianam-pitiavana ireny zanakalahin’i Babilona ireny ka nandoto azy tamin’ny fijangajangany; ary nony efa voaloton’ireny izy dia tonga leony azy.
18
Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy dia tonga leony azy Aho, toy ny nankaleo Ahy tamin’ny rahavaviny.
19
Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy ka nahatsiaro ny andron’ny fahatanorany izay nijangajangany tany amin’ny tany Ejipta.
20
Fa izy dia maimay tamin’ireo lehilahiny maloto fiaina ireo, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin’ny soavaly.
21
Nitady ny fijangajangan’ny fahatanoranao ianao, dia ilay nitsapatsapan’ny Ejiptiana ny nononao, satria nonon’ny faha-virijininao ireo.
22
Koa izao, ry Oholiba, no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hotairiko hamely anao ireny mpitia anao izay efa nankaleo anao ireny ka ho entiko avy amin’ny tany manodidina izy mba hamely anao,
23
dia ireny zanakalahin’i Babilona mbamin’ny Kaldeana rehetra, dia i Pekoda sy i Soa ary i Koa, ary ny Asiriana rehetra koa dia miaraka aminy; tanora bikana izy rehetra, dia ny governora sy ny lefiny, zanak’andriana sy olom-boafidy, sady mpitaingin-tsoavaly avokoa izy rehetra.
24
Ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy fitondra miady ary fiara mbamin’ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao; hatolotro azy ny fitsarana ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.
25
Hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko ka hamely anao amin’ny fahatezerana ireny. Hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ny sabatra ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao dia holevonin’ny afo.
26
Hendahany ny lambanao sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
27
Ary hatsahatro ny fahavetavetanao, dia ny fijangajanganao izay fanaonao hatrany amin’ny tany Ejipta ka tsy handrandrainao aminy intsony ny masonao sady tsy hotsarovanao intsony i Ejipta.
28
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hatolotro eo an-tanan’izay halanao ianao, dia eo an-tanan’izay efa nankaleo anao.
29
Hamely anao amin’ny fankahalana izy dia hesoriny ny vokatry ny asanao ka hilaozany mitanjaka sy mihanjahanja ianao, ary hiseho ny fitanjahan’ny fijangajanganao, dia ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
30
Hatao aminao izany zavatra izany noho ny nijangajanganao nanaraka ny Jentilisa sy noho ny nandotoanao tena tamin’ny sampiny.
31
Tamin’ny lalan’ny rahavavinao koa no nalehanao, koa hataoko eo an-tananao ny kapoakany.
32
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’ny kapoakan’ny rahavavinao no hisotroanao, dia ilay lalina aty sady lehibe; ho fihomehezana sy ho fanakorana tsy tanty ianao.
33
Ho feno fahamamoana sy alahelo ianao; kapoaka fahaverezan-kevitra sy fandringanana, dia ny kapoakan’i Samaria rahavavinao.
34
Hosotroinao sy hotrohinao izany ary hokikisanao ny vakivakiny sady handriatanao ny nononao; fa Izaho no niteny izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
35
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
36
NY TOMPO niteny tamiko hoe: Ry zanak’olona, tsy hotsarainao va i Ohola sy i Oholiba? Asehoy azy ny fahavetavetany
37
fa efa nijangajanga izy sady misy ra ny tanany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zanany lahy naterany ho Ahy dia nampamakivakiny ny afo ho an’ireny mba ho levona.
38
Izao koa no nataony Tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin’izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
39
Ary nony efa novonoiny ho an’ny sampiny ny zanany dia nidirany tamin’iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny. Koa, e! Izany no nataony tao anatin’ny tranoko.
40
Ary koa, nandefa iraka haka lehilahy avy lavitra ireo; eny, nandefa iraka izy ka indreo, tonga izay efa nandroany sy nanosorany loko mainty ny masony sy niravahany
41
ary nipetrahany tamin’ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahany ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.
42
Ary teo aminy dia nisy ny feon’ny maro izay nipetraka tsy nanana ahiahy, ary afa-tsy ny vahoaka maro dia nisy mpiboboka noentina avy tany an-tany efitra; ary nasian’ireo haba teny an-tanan’izy mirahavavy ary satroboninahitra tsara tarehy teny an-dohany.
43
Dia hoy Aho ny amin’ilay efa tontan’ny fijangajangana ela: Amin’izao dia mbola hisy hijangajanga amin’io ihany va?
44
Eny, mbola nankao aminy ihany ny olona, toy ny ankanesany ao amin’ny vehivavy janga, toy ny efa nankanesany tao amin’i Ohola sy i Oholiba, vehivavy janga.
45
Ary olona marina no hitsara azy araka izay fitsara vehivavy mijangajanga sy mandatsa-dra, satria mijangajanga izy sady misy ra ny tanany.
46
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hoentiko hamely azy ny olona maro ka hatolotro ho fampangovitana sy ho babo izy.
47
Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin’ny sabatra; hovonoiny ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ary hodorany amin’ny afo koa ny tranony.
48
Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin’ny tany, mba hahazo anatra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo ny vehivavy rehetra.
49
Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo ary hoentinareo ny heloka noho ny sampinareo; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48