bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 22
Ezekiel 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 23 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, moa tsy hitsara va ianao? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-dra va ianao? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra!
3
Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ity dia tanàna mpandatsa-dra ao ampovoany, koa noho izany dia tonga ny fotoanany sady manao sampy mampahaloto azy ao aminy izy!
4
Ny ra izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nampahaloto anao. Nampahafohy ny andronao ianao ka tonga ny fetran’ny taonanao. Koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ny Jentilisa sy ho fanakoran’ny tany rehetra.
5
Na ny akaiky anao na ny lavitra anao dia samy hanakora anao voaloto anarana sy be tabataba.
6
Indreo, ny lehiben’ny Israely ao aminao dia samy mampiasa ny sandriny avy mba handatsa-dra.
7
Ao aminao no anozonana ray aman-dreny; ao aminao no anaovana izay sarotra amin’ny vahiny; ary ao aminao no ampahoriana ny kamboty sy ny mpitondratena.
8
Hamavoinao ny zavatra masina ary lotoinao ny Sabatako.
9
Ao aminao no misy olona mandehandeha manaratsy mba handatsa-dra; ary ao aminao no misy mihinana eny an-tendrombohitra; ao aminao no misy manao fahavetavetana.
10
Ao aminao no misy mandry amin’ny rainy; ao aminao no misy misavika izay mararin’ny fadimbolana.
11
Misy manao fahavetavetana amin’ny vadin’ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny, zanakavavin’ny rainy.
12
Ao aminao no misy mandray kolikoly handatsa-dra. Maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ny namanao ka manadino Ahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
13
Koa indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin’ny tsy marina sy ny fandatsahan-dra tao aminao.
14
Hahatoha va ny fonao, na hatanjaka va ny tananao amin’ny andro izay hifanatrehako aminao? Izaho TOMPO no nilaza sady hanatanteraka izany.
15
Haeliko any amin’ny Jentilisa sy hahahako any amin’ny tany samihafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
16
Dia ho hitan’ny Jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.
17
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
18
Ry zanak’olona, ny taranak’Israely dia efa tonga tain-drendrika Amiko; izy rehetra dia varahina, firapotsy, vy ary firaka ao anatin’ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
19
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ianareo rehetra dia tonga tain-drendrika dia indro, hangoniko ao afovoan’i Jerosalema ianareo.
20
Toy ny fanangonana volafotsy, varahina, vy, firaka ary firapotsy ho ao anatin’ny memy ka misy mifofotra azy amin’ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika.
21
Eny, hangoniko ianareo, dia hifofotra anareo amin’ny afon’ny fahatezerako Aho ka ho voarendrika ao anatiny ianareo.
22
Toy ny fandrendrika volafotsy ao anatin’ny memy no handrendrehana anareo ao anatiny. Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no nampidina ny fahatezerako aminareo.
23
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra hoe:
24
Ry zanak’olona, lazao aminy hoe: Ianao no tany tsy voadio sady tsy nilatsahan’ny ranonorana tamin’ny andron’ny fahatezerana.
25
Manao tetika fikomiana ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
26
Ny mpisorona ao aminy dia mandika ny lalànako sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsy fitovian’ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
27
Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-dra sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ny tsy marina.
28
Ny mpaminaniny dia mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra! Nefa NY TOMPO tsy niteny tsinona.
29
Ny vahoaka dia manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra, ary ny vahiny dia ampahoriny tsy ara-drariny.
30
Nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin’ny banga eo anatrehako hifona ho an’ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita.
31
Koa dia haidiko eo aminy ny fahatezerako; ny afon’ny fahatezerako no handaniako azy. Hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48