bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 21
Ezekiel 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 22 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, manatreha ny atsimo ary mitenena manandrify ny atsimo! Maminania ny amin’ny hamelezana ny ala any Negeva!
3
Lazao amin’ny ala amin’ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin’NY TOMPO! Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda fa ho main’ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
4
Ho hitan’ny nofo rehetra fa Izaho TOMPO no nampirehitra io ka tsy ho faty io.
5
Dia hoy aho: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Hoy ny fitenin’ny olona ahy: Tsy oha-teny ihany va no lazain’io?
6
Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
7
Ry zanak’olona, manandrifia an’i Jerosalema ary mitenena manandrify ny fitoerana masina! Maminania ny amin’ny hamelezana ny tanin’ny Israely!
8
Lazao amin’ny tanin’ny Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin’ny tranony ny sabatro ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.
9
Satria haringako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no itsoahan’ny sabatro amin’ny tranony mba hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
10
Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho TOMPO no nanatsoaka ny sabatro tamin’ny tranony. Tsy hiverina ao intsony izany.
11
Ary ianao, ry zanak’olona, midridridridria fa tapaka andilana, eny, midridridridria amin’ny fangidiana eo imasony!
12
Ary raha misy miteny aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Misy vaovao tonga. Ho ketraka ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, hivarahontsana ny fanahy rehetra ary ho tonga rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
13
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
14
Ry zanak’olona, maminania! Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Sabatra! Sabatra re! Voaranitra sady mangirana koa.
15
Voaranitra mba hahafaty be izany, mangirana ka hanelatselatra izany. Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon’ny zanako no mamingavinga ny hazo rehetra?
16
Natao mangirana izany mba horaisin-tanana; voaranitra io sabatra io sady mangirana mba hatolotra eo an-tanan’ny mpamono.
17
Mitomania sy midradradradrà, ry zanak’olona! Fa mihatra amin’ny oloko izany, dia amin’ny lehibe rehetra amin’ny Israely; lavon’ny sabatra miaraka amin’ny oloko izy. Koa tehafo ny fenao!
18
Fizahan-toetra izao! Koa inona no hitranga, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona? hoy NY TOMPO Andriamanitra.
19
Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ka mitehafa tanana! Aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra! Dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny lehibe no manemitra azy.
20
Nahebihebiko teny amin’ny vavahadiny rehetra ny sabatra mba hahaketraka ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! Nataoko nanelatselatra izany sady voatsoaka hamono.
21
Miomàna ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa ka mandrosoa eo ankavia, amin’izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza!
22
Hiteha-tanana koa Aho ary hanampatra ny fahatezerako. Izaho TOMPO no nilaza izany.
23
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
24
Ianao, ry zanak’olona, manaova lalana roa hiavian’ny sabatry ny mpanjakan’i Babilona; avy amin’ny tany iray no hiavian’izy roa. Manaova famantaran-dalana ka eo an-tsampanan-dalana mankany amin’ny tanàna no anaovanao azy.
25
Manaova lalana hiavian’ny sabatra ho any Raban’ny taranak’i Amona sy ho an’i Joda ao Jerosalema, tanàna mimanda.
26
Fa ny mpanjakan’i Babilona dia mijanona eo amin’ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan’ny lalana roa mba hisikidy; manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin’ny terafima sy mizaha amin’ny atin-kena.
27
Eo an-tanany havanana ny sikidy izay manondro an’i Jerosalema mba hametrahany lohondry fandravana, hiantsoantsoany hampanao famonoana, hanandratany feo amin’ny akoran’ady, hametrahany lohondry fandravana eo akaikin’ny vavahady, hanandratany tovon-tany sy manda fanafihana.
28
Heverin’ny olona fa sikidy lainga ihany izany satria ireo dia efa nanao fianianana mafy, nefa NY TOMPO no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.
29
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ianareo nampahatsiaro ny helokareo tamin’ny nampiharihariana ny fahadisoanareo ka nampiseho ny fahotanareo tamin’izay rehetra nataonareo, noho izany fahatsiarovana ny momba anareo izany dia hosamborina ianareo.
30
Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy, lozan-tany, dia ilay mpanjakan’ny Israely, izay tapitra andro amin’ny fotoanan’ny heloka tena mahafaty,
31
izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hesorina ny fehiloha, ary halàna ny satroboninahitra. Miova ny zavatra rehetra! Hasandratra ny iva ary haetry ny avo.
32
Faharavana, faharavana, faharavana! Izany ho hataoko aminy. Efa niova sahady ny zavatra rehetra mandra-pahatongan’izay tena tompon’ny fitsarana ka hatolotro azy izany.
33
Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny taranak’i Amona sy ny latsa ataony dia lazao hoe: Indro sabatra! Sabatra voatsoaka hamono! Mangirana izany ka handringana sy hanelatselatra!
34
Ao anatin’ny fahitana mamitaka sy ny faminaniana mandainga ataonao no handrasàny ny tendanao miaraka amin’ireo ratsy fanahy lozan-tany, izay tapitra andro amin’ny fotoanan’ny heloka tena mahafaty.
35
Avereno ao amin’ny tranony ny sabatrao. Any amin’ny tany namoronana anao, dia any amin’ny tany niavianao no hitsarako anao.
36
Haidiko aminao ny fahavinirako; ny afon’ny fahatezerako no hotsofiko aminao ka hatolotro eo an-tanan’ny olona kentrina izay mpamorona fandringanana ianao,
37
dia hataina amin’ny afo ianao; hijanona eny amin’ny tany ny ranao; tsy hotsaroana ianao; fa Izaho TOMPO no niteny izany.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48