bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 27
Ezekiel 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 28 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ianao, ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny amin’i Tiro
3
ka teneno aminy hoe: E, ry ilay monina amin’ny vava-ranomasina, mpivaro-mandeha ho an’ny firenena, ho any amin’ny nosy maro samihafa: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: E, ry Tiro, ianao no efa niteny hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
4
Ao afovoan’ny ranomasina ny taninao; izay nandrafitra anao dia nanao ny hatsaran-tarehinao ho tonga lafatra.
5
Hazo kipreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao;
6
oaka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima no nataony fipetrahana ho an’ny mpivoinao sady nasiany gorodona ivoara.
7
Lamba rongony madinika samihafa soratra avy any Ejipta no nataonao lay mba ho faneva; lamba manga sy volomparasy avy any amin’ny moron-dranomasin’i Elisaha no eloelonao.
8
Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; ny olon-kendrinao tao aminao, ry Tiro, dia ireo mpitondra sambonao.
9
Ny zokiolon’i Gebala sy izay hendry tany no mpanentsin-tsambonao tao aminao; ny sambo rehetra teny amin’ny ranomasina mbamin’ny tantsambony dia tonga tao aminao hanakalo ny entam-barotrao.
10
Ny avy any Persia sy Loda ary Pota dia isan’ny miaramila mpiadinao; nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.
11
Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy avy any Gamada no teny amin’ny tilikambo fiambenanao; ny ampingany dia nahantony teny amin’ny mandanao manodidina; ireny no nahatonga ny hatsaran-tarehinao ho tonga lafatra.
12
I Tarsisy dia nifampivarotra taminao noho ny haben’ny harena samihafa tao aminao. Volafotsy, vy, firapotsy ary firaka no noentiny natakalo ny entanao.
13
I Javana sy i Tobala ary i Maseka dia nifampivarotra taminao, koa olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
14
Ny terak’i Togarma no nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
15
Ny terak’i Dedana dia nifampivarotra taminao; ny varotra avy amin’ny nosy marobe dia nandalo teto aminao ka vangy ivoara sy hazomainty no natakalo ny entanao.
16
I Arama dia nifampivarotra taminao noho ny habetsahan’ny taozavatrao ka karbonkolo, lamba volomparasy, tenona samihafa soratra, rongony fotsy madinika, voahangy ary robisy no noentiny natakalo ny entanao.
17
I Joda sy ny tanin’ny Israely dia nifampivarotra taminao ka varimbazaha avy tany Minita, mofomamy, tantely, diloilo ary balisama no natakalony ny varotrao.
18
I Damaskosy dia nifampivarotra taminao noho ny habetsahan’ny taozavatrao, ny haben’ny harenanao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon’ondry fotsy izy.
19
I Vedana koa sy i Javana dia nitondra vy voatefy avy any Ozala, kasia ary veromanitra ho takalon’ny varotrao.
20
I Dedana dia nifampivarotra taminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
21
I Arabia sy ireo andriandahin’i Kedara rehetra dia nifampivarotra taminao ka zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy no noentiny natao varotra tao aminao.
22
Ny mpivaro-mandeha avy any Sheba sy Rama dia nifampivarotra taminao ka zavamanitra tsara indrindra sy vatosoa samihafa karazana ary volamena no noentiny natakalo ny entanao.
23
I Harana sy i Kane ary i Edena sy ny mpivaro-mandeha avy any Sheba sy Asiria ary Kilmada no nifampivarotra taminao.
24
Ireo no mpivaro-mandeha nifampivarotra taminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra: Akanjobe fanao ivelany manga sy samihafa soratra, tady voarandrana mafy, fitafiana soa, izany no ao amin’ny tsenanao.
25
Ny sambon’i Tarsisy no mpitondra ny entanao. Tao amin’ny fahafenoana sy voninahitra be ianao tany afovoan’ny ranomasina.
26
Noentin’ny mpivoinao teny amin’ny ranobe ianao, dia nahavaky anao tao amin’ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.
27
Ny harenanao, ny entam-barotrao, ny entana notaterinao, ny tantsambonao, ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao, ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin’ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin’ny ranomasina tamin’ny andro nandravana anao.
28
Noho ny fidradradradran’ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina;
29
samy midina miala amin’ny sambony ny mpivoy rehetra, ny tantsambo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanona eny an-tanety;
30
manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin’ny lohany ary mihosinkosin-davenona;
31
nosolaina avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana, mitomany anao amin’ny fangidiam-panahy sy fisaonana mafy.
32
Ary raha midradradradra izy dia manao hira fisaonana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza no tahaka an’i Tiro, dia tahaka ilay mangina ao ampovoan’ny ranomasina?
33
Raha nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entam-barotrao dia nahatretrika firenena maro ianao; tamin’ny haben’ny harenanao sy ny entana notaterinao dia nampanankarena ny mpanjakan’ny tany ianao.
34
Tamin’ny andro nandravan’ny ranomasina anao ho any amin’ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny entana notaterinao sy ny olona tafangona tao aminao.
35
Talanjona ny mponina rehetra amin’ny moron-dranomasina noho ny aminao, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka mivalomainty.
36
Misiotsioka ny mpivaro-mandeha amin’ny firenena noho ny aminao; tonga zava-mahatahotra ianao ary tsy hisy intsony mandrakizay!
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48