bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 44
Ezekiel 44
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 43
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 45 →
1
Dia noentiny niverina tamin’ny lalana nankamin’ny vavahady ivelany amin’ny fitoerana masina aho, dia ilay manatrika ny atsinanana, ka indro, nirindrina io.
2
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran’olona; fa efa nidiran’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, io, ka izany no hirindrinany.
3
Kanefa kosa ny mpanjaka, amin’ny maha mpanjaka azy, no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan’NY TOMPO satria mpanjaka izy; amin’ny lalana mankany amin’ny lalantsaran’ny vavahady no hidirany ary amin’ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
4
Dia noentiny nankany amin’ny vavahady avaratra ho eo anoloan’ny Trano koa aho, dia hitako fa indro, feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’NY TOMPO ka niankarapoka tamin’ny tany aho.
5
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Ry zanak’olona, mandiniha tsara ka mijere amin’ny masonao, ary aoka hohenoin’ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin’ny didy sy ny lalàna rehetra momba ny tranon’NY TOMPO ary diniho tsara ny fidirana amin’ny Trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ny fitoerana masina.
6
Ary lazao amin’ireo maditra, dia ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak’Israely!
7
Ianareo dia nitondra vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin’ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin’ny nanoloranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny ra, ka nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin’ny fahavetavetanareo rehetra.
8
Tsy nitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerako masina ianareo fa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara raharaha ao amin’ny fitoerako masina hisolo anareo.
9
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin’ny Zanak’Israely dia tsy misy hahazo miditra ao amin’ny fitoerako masina.
10
Ary na dia ny levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ny nivilian’ny Israely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
11
Ho mpanao fanompoana ao amin’ny fitoerako masina izy, ho mpiandraikitra ny amin’ny fiandrasana ny vavahadin’ny Trano sy ho mpanao fanompoana ao amin’ny Trano hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa izy ary hijoro eo anatrehany hanao fanompoana ho azy.
12
Satria nanao fanompoana teo anatrehan’ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak’Israely dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
13
Tsy hanakaiky Ahy ho mpisoronako izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran’ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
14
Hotendreko ho mpitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny Trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
15
Fa ny levita mpisorona, taranak’i Zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerako masina, tamin’ny nivilian’ny Zanak’Israely niala tamiko, dia izy no hanakaiky Ahy hanao fanompoana ho Ahy, ary izy no hijoro eo anatrehako hanatitra ny sabora sy ny ra ho Ahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
16
Eny, izy no hiditra ao amin’ny fitoerako masina sy hanakaiky ny latabatro hanao fanompoana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
17
Rehefa miditra ao amin’ny vavahadin’ny kianja anatiny izy dia hiakanjo rongony fotsy fa tsy hisy volon’ondry eny aminy rehefa manao fanompoana eo amin’ny vavahadin’ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
18
Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaonina fohy rongony fotsy no hanaovany, ary tsy hitondra fehikibo izay hiteraka hatsembohana izy.
19
Rehefa mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany hankany amin’ny olona izy dia hesoriny ilay fitafiana noentiny nanao fanompoana ka havelany ao amin’ny efitrano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy fa tsy hanamasina ny olona amin’ireny fitafiany ireny.
20
Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa dia tsy hanao lava volo fa hataony tsara hety.
21
Tsy hisotro divay ny mpisorona rehefa miditra any amin’ny kianja anatiny izy.
22
Tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy fa virijiny avy amin’ny taranak’Israely, na izay novinadin’ny mpisorona efa maty, no hovadìny.
23
Hampianatra ny oloko ny tsy itovian’ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsy itovian’ny tsy madio sy ny madio.
24
Raha misy mifanditra dia ireo no hitsangana hitsara ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalànako sy ny didiko dia hotandremany amin’ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
25
Tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny na zanany lahy na zanany vavy na rahalahiny na anabaviny tsy manambady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.
26
Rehefa voadio izy dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
27
Ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina, dia any amin’ny kianja anatiny, hanao fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanolotra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
28
Hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany. Tsy homenareo zaratany eo amin’ny Israely izy, fa Izaho no anjarany.
29
Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay natao ho zavatra voaozona amin’ny Israely dia ho azy koa.
30
Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin’ny zavatra rehetra sy ny fanomezana rehetra izay alaina amin’ny fanomezanareo dia ho an’ny mpisorona; ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.
31
Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby, dia samy tsy hohanin’ny mpisorona.
← Chapter 43
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 45 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48