bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 11
Ezekiel 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 12 →
1
Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary indreo, nisy olona dimy amby roapolo lahy teo anoloan’ny vavahady; dia hitako teo amin’ireo i Jazania zanak’i Azora sy i Pelatia zanak’i Benaia, lehiben’ny vahoaka.
2
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, ireo no lehilahy izay misaina hanao ratsy sady manome torohevitra ratsy ato amin’ity tanàna ity,
3
dia izay milaza hoe: Mbola tsy izao no fotoana hanorenana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena!
4
Koa maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak’olona!
5
Dia tonga tamiko ny Fanahin’NY TOMPO ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Izany no fiteninareo, ry taranak’Israely! Fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
6
Ianareo dia nahamaro ny voavononareo tato amin’ity tanàna ity ary ny arabeny dia nofenoinareo faty.
7
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; fa ianareo kosa dia havoaka tao.
8
Matahotra ny sabatra ianareo nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
9
Havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tanan’ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.
10
Ho lavon’ny sabatra ianareo; any amin’ny sisintanin’ny Israely no hitsarako anareo ka ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
11
Ity tanàna ity dia tsy ho vilaninareo, ary ianareo dia tsy ho hena ato anatiny; fa any amin’ny sisintanin’ny Israely no hitsarako anareo.
12
Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO satria tsy nandeha araka ny lalànako ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny Jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.
13
Ary raha mbola naminany aho dia maty i Pelatia zanak’i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin’ny feo mahery hoe: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Holevoninao va ny hany sisa amin’ny Israely?
14
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
15
Ry zanak’olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao iray firazanana aminao, dia ny taranak’Israely rehetra, no nitenenan’ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira NY TOMPO; izahay no nomena ity tany ity ho lova.
16
Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ny Jentilisa aza izy ka naeliko tany amin’ny tany maro dia ho fitoerana masina ho azy vetivety ho azy Aho any amin’ny tany izay alehany.
17
Koa lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hovoriko avy any amin’ny firenena ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo ka homeko ny tanin’ny Israely.
18
Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-maharikorikony rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
19
Dia homeko fo iray izy ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato ka homeko fo nofo izy
20
mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany; ary ho oloko izy, ary Izaho ho Andriamaniny.
21
Fa ny amin’izay manana fo manina ny zava-maharikorikony sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny lalany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
22
Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodiarana teo anilany; ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely dia teo aminy, teo amboniny.
23
Ary ny voninahitry NY TOMPO dia niakatra niala tao amin’ny tanàna ka nijanona teo an-tampon’ny tendrombohitra atsinanan’ny tanàna.
24
Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy ho any Kaldea, tamin’ny fahitana, ho any amin’ny babo, dia tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.
25
Ary nolazaiko tamin’ny babo ny teny rehetra izay nasehon’NY TOMPO ahy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48