bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 14
Ezekiel 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 15 →
1
Dia nisy loholon’ny Israely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako.
2
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
3
Ry zanak’olona, ireto olona ireto dia efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hanaiky hanontanian’ireto va Aho?
4
Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny olona rehetra amin’ny taranak’Israely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho TOMPO no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
5
mba hisamborako ny taranak’Israely amin’ny fony satria efa nihemotra niala Tamiko izy rehetra noho ny sampiny.
6
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy.
7
Fa na iza na iza amin’ny taranak’Israely, na amin’ny vahiny izay mivahiny eo amin’ny Israely, no misaraka Amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany Amiko, dia ny tenako, Izaho TOMPO ihany no hamaly azy.
8
Hanandrina izany olona izany ny tavako ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho oha-teny, ary hofongorako tsy ho eo amin’ny oloko izy dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
9
Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra dia Izaho TOMPO no nitaona izany mpaminany izany; hatsotrako aminy ny tanako ka hofongorako tsy ho eo amin’ny Israely oloko izy.
10
Hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin’ny helok’izay manontany aminy koa,
11
mba tsy hialan’ny taranak’Israely Amiko intsony ary tsy handotoany ny tenany intsony amin’ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
12
Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe:
13
Ry zanak’olona, raha misy tany manota Amiko ka manao izay mahadiso, ary atsotrako aminy ny tanako ka tapahiko ny mofo tohan’ainy sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
14
ary na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia i Noa sy i Daniela ary i Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
15
Raha mampandeha biby masiaka eo amin’ny tany Aho ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon’olona aleha noho ny biby,
16
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy; ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.
17
Ary raha mahatonga sabatra mamely izany tany izany Aho ka miteny hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby,
18
na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
19
Ary raha mandefa areti-mandringana mamely izany tany izany Aho sady aidiko aminy ny fahatezerako amin’ny fandatsahan-dra mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,
20
na dia ao aza i Noa sy i Daniela ary i Joba, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.
21
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Koa mainka raha alefako hamely an’i Jerosalema ireto fitsarako efatra mandoza ireto, dia ny sabatra sy ny mosary ary ny biby masiaka sy ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
22
Kanefa indro, hisy sisa afaka ihany izy hoentina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy. Indro, hivoaka ho any aminareo ireo ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin’ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin’i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.
23
Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48