bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 48
Ezekiel 48
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
1
Izao no anaran’ireo foko: Hatramin’ny farany avaratra any amoron-dranomasina, amin’ny lalana mankany Hetlona any akaikin’i Hamata sy Hazara-Enana, ny sisintanin’i Damaskosy eo avaratra, any anilan’i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana: Anjara iray ho an’i Dana.
2
Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia anjara iray ho an’i Asera.
3
Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia anjara iray ho an’i Naftaly.
4
Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Manase.
5
Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Efraima.
6
Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray koa ho an’i Robena.
7
Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Joda.
8
Ary mifanolotra amin’ny sisintanin’i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisy ilay tany hatokanareo, indimy arivo sy roa alin’ny volotara fandrefesana ny sakany, ary ny lavany dia mitovy amin’ny lavan’ny anjaran’ny firenena tsirairay, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
9
Ny tany izay hatokanareo ho an’NY TOMPO dia dimy arivo sy roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.
10
Ho an’ny mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo sy roa alina ny lavany avaratra, iray alina ny sakany andrefana, iray alina ny sakany atsinanana ary dimy arivo sy roa alina ny lavany atsimo, ary ny fitoerana masin’NY TOMPO no ho eo afovoany.
11
Ho an’ny mpisorona izay nohamasinina avy amin’ny taranak’i Zadoka izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandremana ka tsy nivily tamin’ny nivilian’ny Zanak’Israely, tahaka ny nivilian’ny levita.
12
Eny, ho azy izany, ho tany halaina amin’ilay efa voatokana, dia zavatra masina indrindra, mifanolotra amin’ny sisintanin’ny levita.
13
Ny levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin’ny sisintanin’ny mpisorona, dia dimy arivo sy roa alina ny lavany, iray alina ny sakany. Eny, samy dimy arivo sy roa alina ny lavany ary iray alina ny sakany.
14
Tsy ho azony analana hamidy izany, na atakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin’ny tany, fa masina ho an’NY TOMPO izany.
15
Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin’ny sakany mifanolotra amin’ny dimy arivo sy roa alina, dia tsy masina fa ho an’ny tanàna, ho tany fonenana sy ho tany fiandrasam-biby, ary ny tanàna no ho ao afovoany.
16
Ary izao no refiny: Ny avaratra dia ho dimanjato sy efatra arivo, ny atsimo dia ho dimanjato sy efatra arivo, ny atsinanana dia ho dimanjato sy efatra arivo ary ny andrefana dia ho dimanjato sy efatra arivo.
17
Ny amin’ny tany fiandrasam-biby momba ny tanàna: Ny eo amin’ny avaratra dia ho dimampolo sy roanjato, ny eo amin’ny atsinanana dia ho dimampolo sy roanjato ary ny eo amin’ny andrefana dia ho dimampolo sy roanjato.
18
Ny lavany sisa mifanolotra amin’ny anjara masina voatokana dia iray alina amin’ny atsinanana, iray alina amin’ny andrefana ary hifanolotra amin’ny anjara masina voatokana izany; ny vokatra avy aminy dia ho sakafon’ny mpiasa ao an-tanàna.
19
Izay mpiasa ao an-tanàna avy amin’ny fokon’ny Israely rehetra no hiasa azy.
20
Ny tany voatokana rehetra dia ho efamira, dimy arivo sy roa alina sy dimy arivo sy roa alina; ny ampahefatry ny anjara masina voatokana dia halainareo ho zaratany momba ny tanàna.
21
Ho an’ny mpanjaka ny sisa eo an-daniny roa amin’ny anjara masina voatokana sy ny zaratany momba ny tanàna; mifanolotra amin’ny dimy arivo sy roa alina amin’ny anjara voatokana hatramin’ny sisintany atsinanana ary mifanolotra amin’ny dimy arivo amby roa alina hatramin’ny sisintany andrefana, mifanolotra amin’ny anjaran’ireo foko; ho an’ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny Trano, fitoerana masina, no ho eo afovoany.
22
Hatramin’ny zaratanin’ny levita sy ny zaratany momba ny tanàna izay ao ampovoan’ny an’ny mpanjaka, anelanelan’ny faritanin’i Joda sy Benjamina, dia ho an’ny mpanjaka izany.
23
Ary ny amin’ny firenena sisa, hatramin’ny lafiny atsinanana ka hatramin’ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an’i Benjamina.
24
Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Simeona.
25
Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’Isakara.
26
Mifanolotra amin’ny sisintanin’Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Zebolona.
27
Mifanolotra amin’ny sisintanin’i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia anjara iray ho an’i Gada.
28
Mifanolotra amin’ny faritanin’i Gada, amin’ny lafiny atsimo, ny sisintany dia hatrany Tamara sy ny ranon’i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe.
29
Izany no tany hozarainareo amin’ny antsapaka ho lova ho an’ny firenen’ny Israely, ary izany no ho anjarany avy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
30
Izao no refin’ny tanàna amin’ny lafiny avaratra: Dimanjato sy efatra arivo.
31
Ny anaran’ny vavahady dia ho toy ny anaran’ny fokon’ny Israely: Ny vavahady telo avaratra dia vavahadin’i Robena ny iray, vavahadin’i Joda ny iray, vavahadin’i Levy ny iray.
32
Amin’ny lafiny atsinanana, dimanjato sy efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin’i Josefa ny iray, vavahadin’i Benjamina ny iray ary vavahadin’i Dana ny iray.
33
Amin’ny lafiny atsimo, mirefy dimanjato sy efatra arivo, ary ny vavahady telo, dia vavahadin’i Simeona ny iray, vavahadin’Isakara ny iray, vavahadin’i Zebolona ny iray.
34
Amin’ny andrefana, dimanjato sy efatra arivo; telo ny vavahadiny, dia vavahadin’i Gada ny iray, vavahadin’i Asera ny iray, vavahadin’i Naftaly ny iray.
35
Valo arivo sy iray alina ny manodidina. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay andro izay dia: NY TOMPO NO AO.
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48