bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 30
Ezekiel 30
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 31 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO nanao hoe:
2
Ry zanak’olona, maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
3
Fa antomotra ny andro, Eny, antomotra ny Andron’NY TOMPO: Andro mandrahona sy fotoanan’ny Jentilisa izany.
4
Hisy sabatra tonga any Ejipta ary fangorohoroana fatratra any Kosy, rehefa miampatrampatra any Ejipta ny voatrabaka, ary ho lasa ny harenany sady ho rava ny fanorenany.
5
I Kosy, i Pota, i Lidia, ny olona samihafa firenena rehetra, ny Kobiana ary ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.
6
Izao no lazain’NY TOMPO: Ho lavo koa izay manohana an’i Ejipta ary hietry ny fiavonavonan’ny heriny; hatrany Migdola ka hatrany Siena no ho lavon-tsabatra izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
7
Ho rava ao amin’ny tany rava izy, ary ny tanànany dia ho lao ao amin’ny tanàna lao,
8
dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO rehefa mampirehitra afo any Ejipta Aho ka torotoro izay rehetra manampy azy.
9
Amin’izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy Amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Kosita izay mitoetra tsy manana ahiahy, dia hangorohoro tahaka ny tamin’ny andro namelezana an’i Ejipta izy. Fa indro, avy izany!
10
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny tanan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona no hoentiko mandevona ny harenan’i Ejipta.
11
Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin’ny firenena, no hoentina handrava ny tany; hanatsoaka ny sabany hamely an’i Ejipta ireny ka ho feno faty ny tany.
12
Hahatankina an’i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tanan’ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan’ny hafa firenena no hoentiko mandrava ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy. Izaho TOMPO no niteny izany.
13
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamanitra tsy izy ao Nofa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin’ny tany Ejipta.
14
Handrava an’i Patrosa Aho ary hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an’i No.
15
Hampidina ny fahatezerako amin’i Sina, fiarovana mafy any Ejipta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
16
Hampirehitra afo any Ejipta Aho; hiolanolana fatratra i Sina noho ny faharariany; ho voabanga ny mandan’i No ary i Nofa dia hasian’ny fahavalo amin’ny andro antoandro.
17
Ny zatovon’i Avena sy Py-Beseta dia ho lavon-tsabatra sady ho lasan-ko babo ny ao.
18
Any Tapanesa dia ho maizina ny andro rehefa tapahiko any ny ziogan’i Ejipta ka hitsahatra ny fiavonavonan’ny heriny; hisy rahona hanarona azy sady ho lasan-ko babo ny zanany vavy.
19
Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an’i Ejipta; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
20
Tamin’ny andro fahafito tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahiraika amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
21
Ry zanak’olona, ny sandrin’i Farao mpanjakan’i Ejipta dia efa notorotoroiko, ary e! Tsy notsaboina mba ho sitrana izy na nofehezina lamba mba hanatanjaka azy ka hahatan-tsabatra.
22
Koa izany no nanaovan’NY TOMPO Andriamanitra hoe: Indro, hamely an’i Farao mpanjakan’i Ejipta Aho ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tanany Aho.
23
Dia haeliko ho any amin’ny firenena samihafa ny Ejiptiana ka hahahako any amin’ny tany samihafa.
24
Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilona ka hataoko eny an-tanany ny sabatro; hotorotoroiko ny sandrin’i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan’ny voatrabaka izy.
25
Eny, hampahatanjahiko ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilona, dia hiraviravy ny sandrin’i Farao ka ho fantatra fa Izaho no TOMPO, rehefa ataoko eny an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny sabatro ka haingainy hamelezana ny tany Ejipta.
26
Dia haeliko ho any amin’ny firenena samihafa ny Ejiptiana ka hahahako any amin’ny tany samihafa; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48