bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 4
Ezekiel 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 5 →
1
Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky tanimanga ary apetraho eo anoloanao, dia manaova sarin-tanàna eo aminy, sarin’i Jerosalema.
2
Dia ataovy fahirano izany ka manangàna manda fanafihana hamelezana azy; manandrata tovon-tany eo aminy, asio toby hamelezana azy ary anangano lohondry fandravana manodidina azy.
3
Ary makà lapoaly vy ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna; banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ny taranak’Israely izany.
4
Ary ianao, mandria amin’ny ilanao havia ka ataovy eo aminy ny fahotan’ny taranak’Israely; koa araka ny isan’ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
5
Fa Izaho manao fetrandro ho anao mitovy amin’ny taonan’ny helony, dia sivifolo sy telonjato andro izay hitondranao ny heloky ny taranak’Israely.
6
Rehefa tapitrao ireo dia mandria amin’ny ilanao havanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’i Joda efapolo andro ianao; ny andro iray no ataoko solon’ny taona iray ho anao.
7
Dia banjino tsara io fahirano an’i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
8
Ary indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron’ny fahiranonao.
9
Ary makà varimbazaha, tsaramaso, voanemba, tsiasisa, ampemby sy spelta ary ataovy anaty vilia iray ireo ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ny andro izay handrianao amin’ny ilanao, dia sivifolo sy telonjato andro, no hihinananao azy.
10
Tsinjaraina no hihinananao ny haninao, dia roapolo sekela isanandro; amin’ny fotoana voafetra isanandro no hihinananao azy.
11
Rano afàtra no hosotroinao, ampahenin’ny hina; amin’ny fotoana voafetra isanandro koa no hisotroanao azy.
12
Hatao toy ny mofo varimbazaha no ho fihinanao azy, ary dikin’olona no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
13
Ary hoy NY TOMPO: Toy izany no hihinanan’ny Zanak’Israely ny mofony voaloto any amin’ny firenena izay handroahako azy.
14
Dia hoy aho: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Indro, tsy mbola voaloto aho; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay hena ratsy.
15
Dia hoy Izy tamiko: Indro ary, tain’omby no omeko anao hisolo ny dikin’olona ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
16
Hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo tohan’aina ka antsinjarany, amin’ny tebiteby, no hihinanany mofo, ary rano afàtra no hosotroiny amin’ny tahotra.
17
Koa tsy hahita mofo na rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48