bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 16
Ezekiel 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 17 →
1
Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, ampahafantaro an’i Jerosalema ny fahavetavetany
3
ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’i Jerosalema: Ny tany Kanana no niavianao sy nahaterahanao; Amorita ny rainao ary Hetita ny reninao.
4
Ary ny amin’ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitranao tamin’ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin’ny rano ianao, na voahosotra sira na voahodidina lamban-jaza akory.
5
Tsy nisy maso niantra anao ka nanao izany taminao, na dia iray akory amin’ireo zavatra ireo aza, mba hamindrana fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin’ny andro nahaterahanao.
6
Raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin’ny ranao dia hoy Aho taminao, raha mbola tamin’ny ranao ianao: Ho velona anie ianao! Eny, hoy Aho taminao, raha mbola tamin’ny ranao ianao: Ho velona anie ianao!
7
Efa nataoko alinalina toy ny zavamaniry any an-tsaha ny isanao ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany.
8
Ary raha nandalo Aho ka nijery anao dia hitako fa izay no fotoananao, dia ny fotoanan’ny fitiavana. Dia narakotro anao ny ilan’ny lambako ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianina taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tonga Ahy ianao.
9
Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin’ny ranao, dia nohosorako diloilo.
10
Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditra trozona ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako lamba landy.
11
Noravahako firavaka koa ianao ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao.
12
Nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary nasiako satroboninahitra tsara tarehy ny lohanao,
13
dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary akanjo rongony fotsy madinika sy lamba landy ary lamba misoratsoratra no fitafianao. Koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao. Nitombo hatsaran-tarehy ianao sady nambinina ka tonga miendrika andriana.
14
Dia niely tany amin’ny Jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, satria tonga tamin’ny fanaperany izany noho ny famirapiratana izay nataoko teo aminao, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
15
Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao ary nanaram-po nijangajanga tamin’ny mpandalo rehetra sady nafoy ho azy izany.
16
Dia nanalanao ny fitafianao ka nanaovanao toerana fanaovana sorona ho anao ary noravahanao lamba misoratsoratra izany sady nijangajanga teo aminy ianao: Ny zavatra toy izany dia tsy tokony hiseho na hisy akory!
17
Nalainao koa ny firavakao tamin’ny volamenako sy ny volafotsiko izay nomeko anao dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao.
18
Nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natafinao ireo; ary ny menako sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany.
19
Ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan’ireo ho hanitra ankasitrahana. Izany tokoa no nitranga, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
20
Ary noentinao ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an’ireo mba hohaniny. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?
21
Novonoinao ny zanako fa natolotrao ka nampandehaninao namakivaky ny afo ho an’ireo.
22
Tamin’ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andron’ny fahatanoranao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin’ny ranao.
23
Ary rehefa vitanao izany ratsy rehetra izany, lozanao! lozanao! hoy NY TOMPO Andriamanitra,
24
dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao toerana fanaovana sorona ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.
25
Teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny toerana fanaovanao sorona, dia novetavetainao ny hatsaran-tarehinao ka natolotrao ho amin’ny mpandalo rehetra ny tenanao ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
26
Nijangajanga tamin’ny zanak’i Ejipta be nofo izay mifanila fonenana ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
27
Ary indro, natsotrako taminao ny tanako ka nahenako ny anjara haninao, ary natolotro ho amin’ny sitrapon’izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin’ny Filistina izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
28
Nijangajanga tamin’ny zanak’i Asiria koa ianao noho ny tsy fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao nefa mbola tsy afa-po ihany.
29
Ary mbola nampitomboinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin’ny tanin’ny mpivaro-mandeha; fa na dia tamin’izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao.
30
Akory ny fahamaimain’ny fonao! hoy NY TOMPO Andriamanitra, tamin’ny nanaovanao ireo rehetra ireo izay fanaon’ny janga lany henatra!
31
Tamin’ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny toerana fanaovanao sorona teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao satria tsy nahoanao akory izay karama maloto.
32
Ny vehivavy mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon’ny vadiny!
33
Ny vehivavy janga rehetra dia omena karama maloto; fa ianao kosa dia manome karama ireo mpitia anao rehetra sady manome azy kolikoly hanatonany anao avy any rehetra any mba hijangajangany aminao.
34
Hafa noho ny an’ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin’ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome karama maloto ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no maha hafa anao.
35
Koa mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ry Ikala janga!
36
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandanianao vola be sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ny nijangajanganao tamin’ireny mpitia anao ireny sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ny zanakao izay naterinao ho an’ireo,
37
dia indro, hovoriko ireny mpitia anao rehetra ireny, izay mankamamy anao sy izay tianao rehetra mbamin’ireny rehetra izay halanao koa, eny, hovoriko avy eny rehetra eny ireny mba hamely anao ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy.
38
Dia hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-dra ka halatsako ny ranao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
39
Dia hatolotro ho eny an-tanan’ireny ianao ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny toerana fanaovanao sorona; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
40
Dia hitondra vahoaka marobe hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin’ny sabany ianao.
41
Hodorany amin’ny afo ny tranonao ka hotanterahiny eo imason’ny vehivavy maro ny famaliana anao. Hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hisy karama maloto intsony.
42
Toy izany no hialako fo aminao ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.
43
Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron’ny fahatanoranao fa nirongatra nanohitra Ahy tamin’ireo rehetra ireo ianao, dia indro, ny lalanao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin’ny fahavetavetanao rehetra va ianao?
44
Indro, ny mpanao oha-teny rehetra dia hamely anao amin’izao oha-teny izao hoe: Manahaka ny reniny ihany ny zanany vavy!
45
Ianao dia zanakavavin-dreninao izay mahafoy ny vady aman-janany; ary ianao dia rahavavin’ireo rahavavinao izay nahafoy ny vady aman-janany. Hetita ny reninareo ary Amorita ny rainareo.
46
I Samaria no zokinao vavy, dia izy sy ny zanany vavy izay monina eo ankavianao; ary ny zandrinao vavy izay monina amin’ny ankavananao, dia i Sodoma sy ny zanany vavy.
47
Nefa tsy araka ny lalan’ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan’ireo ihany no nataonao; fa ohatra ny zavatra kely loatra izany ka nanao izay ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin’ny lalanao rehetra.
48
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, na dia i Sodoma rahavavinao sy ny zanany vavy aza dia tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao vavy.
49
Indro, izao no helok’i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fiainana tsy nisy ahiahy no tao aminy sy tao amin’ny zanany vavy fa tsy mba nampahery ny malahelo sy ny mahantra izy.
50
Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako. Nony nahita izany Aho dia nanaisotra azy.
51
Fa i Samaria dia tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataony; fa ianao dia nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin’ny fahavetavetanao rehetra izay nataonao.
52
Ianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo ka miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
53
Haveriko ho amin’ny toerany teo aloha ireny, dia i Sodoma sy ny zanany vavy, ary i Samaria sy ny zanany vavy, dia haveriko ho amin’ny toeranao teo aloha eo afovoany koa ianao,
54
mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao ka ho fampiononana ho azy izany.
55
Ary ny rahavavinao, dia i Sodoma sy ny zanany vavy, dia hiverina amin’ny toerany taloha, ary i Samaria sy ny zanany vavy dia hiverina amin’ny toerany taloha, ary ianao sy ny zanakao vavy dia hiverina amin’ny toeranareo taloha koa.
56
Nefa tsy mbola mba notononin’ny vavanao akory ny nanjo an’i Sodoma rahavavinao tamin’ny andro niavonavonanao,
57
fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin’ilay nandatsa anao ny zanakavavin’i Arama sy izay rehetra manodidina azy, ary ny zanakavavin’ny Filistina, izay namingavinga anao tamin’ny manodidina anao rehetra.
58
Ianao no hitondra ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao, hoy NY TOMPO.
59
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.
60
Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao tamin’ny andron’ny fahatanoranao ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.
61
Dia hotsarovanao ny lalanao ka ho menatra ianao rehefa mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao ka homeko ho zanakao vavy ireo, na dia tsy mba isan’izay nanaovako fanekena taminao aza.
62
Izaho hanorina ny fanekeko aminao, dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO,
63
mba hahatsiarovanao sy hangaihaizanao ary tsy hiloa-bava intsony ianao noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin’ny nataonao rehetra Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48