bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 42
Ezekiel 42
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 43 →
1
Dia noentiny nivoaka nianavaratra ho any amin’ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin’ny efitrano tandrifin’ny kianja voafaritra sady tandrifin’ilay vatan-trano eo amin’ny avaratra.
2
Io vatan-trano io, izay nisy ny varavarana avaratra, dia zato hakiho ny lavany ary dimampolo hakiho ny sakany.
3
Tandrifin’ny roapolo hakiho amin’ny kianja anatiny sady tandrifin’ny lampivato amin’ny kianja ivelany dia nisy lalantsara nifanandrify tamin’ny lalantsara telo miantoana.
4
Teo anoloan’ireo efitrano dia nisy lalana mankao anatiny, folo hakiho ny sakany, ary lalana zato hakiho izany; nanatrika ny avaratra ny varavarany.
5
Ary nohakelezina ny efitrano ambony fa nanalana ny ho lalantsara ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny antenantenany.
6
Natao rihana telo ireo fa tsy nisy andry tahaka ny andrin’ny kianja ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao antenantenany, hatreny amin’ny tany.
7
Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin’ny efitrano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan’ny efitrano ka dimampolo hakiho ny lavany.
8
Fa ny lavan’ireo efitrano izay teo amin’ny kianja ivelany dia dimampolo hakiho; ary indro, ny teo anoloan’ny tempoly dia zato hakiho.
9
Teo ambanin’ireo efitrano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana raha miditra avy eo amin’ny kianja ivelany.
10
Nisy efitrano koa teo amin’ny sakan’ny ampiantany teo amin’ny kianja, teo amin’ny atsinanana, tandrifin’ilay kianja voafaritra sady tandrifin’ny vatan-trano.
11
Nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny endriky ny efitrano teo amin’ny avaratra ny fijery azy sady mitovy amin’ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin’ny fombafombany rehetra sy ny varavarany.
12
Tahaka ny varavaran’ny efitrano eo amin’ny atsimo dia nisy varavarana koa teo amin’ny fiandohan’ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan’ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin’ny atsinanana, raha miditra ao aminy.
13
Dia hoy izy tamiko: Ny efitrano avaratra sy ny efitrano atsimo izay eo anoloan’ny kianja voatokana, dia efitrano masina; any ny mpisorona izay manatona NY TOMPO no mihinana ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra avy amin’ny vokatry ny tany sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana. Masina io toerana io.
14
Rehefa miditra ao ny mpisorona dia tsy hiala amin’ny fitoerana masina ho any amin’ny kianja ivelany izy, fa ao no hametrahany ny fitafiana masina izay noentiny nanao fanompoana satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny vahoaka.
15
Nony voarefiny ny Trano anatiny dia noentiny nivoaka nankany amin’ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ary nandrefy ny manodidina izy.
16
Norefesiny tamin’ny volotara fandrefesana ny lafiny atsinanana ka indimanjaton’ny volotara manodidina, tamin’ny volatara fandrefesana.
17
Norefesiny koa ny lafiny avaratra ka indimanjaton’ny volotara manodidina, tamin’ny volotara fandrefesana.
18
Norefesiny koa ny lafiny atsimo ka indimanjaton’ny volotara, tamin’ny volotara fandrefesana.
19
Nitodika nankany amin’ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indimanjaton’ny volotara, tamin’ny volotara fandrefesana.
20
Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indimanjaton’ny volotara fandrefesana ny lavany ary indimanjatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 43 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48