bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 47
Ezekiel 47
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 48 →
1
Dia noentiny niverina ho eo amin’ny varavaran’ny Trano aho. Ary indro, nisy rano niboiboika avy ao ambanin’ny tokonan’ny Trano, teo atsinanana; fa manatrika ny atsinanana ny Trano, ary ny rano dia nidina avy teo ambanin’ny lafiny havanan’ny Trano, teo atsimon’ny alitara.
2
Dia noentiny nivoaka tamin’ny lalana mankany amin’ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin’ny lalana ivelany hankany amin’ny vavahady ivelany, dia teo amin’ny lalana manatrika ny atsinanana. Ary indro, nisy rano nipoitra avy teo amin’ny ilany havanana.
3
Nony nandeha niantsinanana Ralehilahy, ary nisy kofehy fandrefesana teny an-tanany, dia nandrefy arivo hakiho izy; nampitainy ny rano aho ka hakitrokely ny rano.
4
Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nampitainy ny rano aho ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nampitainy aho, ka hatehezana ny rano.
5
Nandrefy arivo hakiho indray koa izy ka ony tsy azo nitana fa efa nihalalina ny rano, ka tsy maintsy hilomanosana, eny, ony tsy azo itana.
6
Dia hoy izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron’ny ony izy.
7
Nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron’ny ony, teny an-daniny roa.
8
Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka mankany amin’ny tany atsinanana dia midina any amin’ny tany ngazana ka miditra ao amin’ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy dia sitrana ny rano.
9
Ary ny zavamananaina rehetra mifanaretsaka dia ho velona, na aiza na aiza alehan’ny ony, ary hisy hazandrano sesehena; fa rehefa tonga ao ity rano ity dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran’ny ony.
10
Ary hisy mpanarato hijoro eny amorony. Hatrany Eny-Gedỳ ka hatrany Eny-Eglaìma no hamelarana harato; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano be dia be any amin’ny Ranomasina Lehibe.
11
Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina fa havela ho sira.
12
Ary eny amoron’ny ony, eny an-daniny roa, no hanirian’ny hazo rehetra fihinam-boa. Tsy halazo ny raviny na ho lany ny voany fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy satria mivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony. Ho fihinana ny voany ary ho fanafody ny raviny.
13
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny fokon’ny Israely roa amby folo; anjaran-droa no ho an’i Josefa.
14
Samy handova avokoa ianareo rehetra satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an’ny razanareo Aho ka ho azonareo ho lova ity tany ity.
15
Ary izao no sisintaniny: Ny lafiny avaratra dia hatramin’ny Ranomasina Lehibe amin’ny lalana mankany Hetlona ka hatramin’ny sisintanin’i Zedada,
16
dia i Hamata, i Berota, i Sibraima, izay eo anelanelan’ny faritanin’i Damaskosy sy ny faritanin’i Hamata, i Hazera afovoany, izay eo an-tsisin’i Haorana.
17
Ny sisintaniny ary dia hatramin’ny ranomasina, dia i Hazara-Enona, ny sisintanin’i Damaskosy, i Tsafona any avaratra, dia ny sisintanin’i Hamata. Izany no lafiny avaratra.
18
Ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan’i Haorana, i Damaskosy, i Gileada ary ny tanin’ny Israely dia i Jordana; hatramin’ny sisintany ka hatreo amoron’ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
19
Ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara ka hatramin’ny ranon’i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
20
Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin’ny sisintany ka hatrany akaikin’i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
21
Hozarainareo aminareo izany tany izany araka ny fokon’ny Israely.
22
Amin’ny antsapaka no hizaranareo azy ho lova ho anareo sy ny vahiny monina ao aminareo izay miteraka ao aminareo, ka hataonareo ho tahaka ny tena Zanak’Israely izy. Hiara-manao antsapaka aminareo izy ka hiara-mandova amin’ny fokon’ny Israely.
23
Ao amin’izay firenena hitoeran’ny vahiny, dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 48 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48