bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 46
Ezekiel 46
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 47 →
1
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana kosa no hivoha izany.
2
Dia hiditra avy any ivelany amin’ny lalana mankany amin’ny lalantsaran’ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ny tolanam-bavahady. Ny mpisorona dia hanolotra ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanati-pihavanany; hiankohoka eo amin’ny tokonam-bavahady izy dia hivoaka; tsy harindrina ny vavahady raha tsy efa hariva ny andro.
3
Ary ny vahoaka koa dia hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO eo am-bavahady amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana.
4
Ny fanatitra dorana manontolo izay haterin’ny mpanjaka ho an’NY TOMPO amin’ny andro Sabata dia zanak’ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
5
Ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampin’ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampin’ireo zanak’ondry dia araka izay tratry ny ananany, ary ny diloilo dia iray hina isan’efaha.
6
Amin’ny voaloham-bolana dia hanolotra vantotra ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak’ondry enina ary ondrilahy iray izy; samy tsy hisy kilema ireo.
7
Ary hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy, dia iray efaha isam-bantotra ombilahy sy iray efaha isaky ny ondrilahy koa; ary ny amin’ny zanak’ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan’efaha.
8
Rehefa miditra ny mpanjaka dia amin’ny lalana mankamin’ny lalantsaran’ny vavahady no hidirany, ary amin’ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
9
Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny andro firavoravoana dia izay miditra amin’ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin’ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ny vavahady avaratra: Tsy hiverina amin’ilay vavahady nidirany izy, fa amin’izay tandrifiny ihany no hivoahany.
10
Ny mpanjaka dia hiara-miditra amin’ireo, ary rehefa mivoaka ireo dia hiara-mivoaka aminy izy.
11
Amin’ny andro firavoravoana sy ny fotoan-dehibe dia iray efaha no ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry isam-bantotra ombilahy, ary iray efaha isaky ny ondrilahy, ary ny amin’ny zanak’ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran’ny hina isan’efaha.
12
Ary raha ny mpanjaka no manolotra fanatitra dorana manontolo an-tsitrapo, na fanati-pihavanana ho fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO, dia hovohana ny vavahady manatrika ny atsinanana mba hidirany, dia hanolotra ny fanatiny dorana manontolo sy ny fanati-pihavanany izy, tahaka izay ataony amin’ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy dia harindrina ny vavahady.
13
Zanak’ondry iray izay iray taona, tsy misy kilema, no hatolotrao isanandro ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO; isa-maraina no hanateranao azy.
14
Ary hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho fanampiny isa-maraina ianao, ampahenin’ny efaha, sy diloilo ampahatelon’ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
15
Toy izany no hanoloranao ny zanak’ondry sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo.
16
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha manome zavatra ho an’ny zanany iray ny mpanjaka dia ho lovan’ny zanany izany; eny, ho zaralovany izany.
17
Fa raha manome zavatra avy amin’ny lovany ho an’ny mpanompony iray kosa izy dia ho azy mandra-pahatongan’ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin’ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an’ny zanany ihany.
18
Tsy haka amin’ny lovan’ny vahoaka hampiala azy amin’ny zarataniny izy; fa avy amin’ny fananany ihany no hanomezany lova ho an’ny zanany, mba tsy hielezan’ny oloko hiala amin’ny zarataniny.
19
Dia noentiny hiditra tamin’ny fidirana eo anilan’ny vavahady ho ao amin’ireo efitrano masin’ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra aho; ary indro, nisy toerana malalaka terỳ amin’ny farany andrefana.
20
Dia hoy izy tamiko: Io no toerana fahandroan’ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry mba tsy hitondrany azy mivoaka ho any amin’ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
21
Dia noentiny nivoaka ho any amin’ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin’ny kianja; ary indro, ao amin’ny isan-joron’ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
22
Teny amin’ny zorony efatra amin’ny kianja dia nisy kianja nofefena, efapolo hakiho avy ny lavany ary telopolo avy ny sakany; mitovy refy ireo kianja an-jorony efatra ireo.
23
Nisy rafi-bato teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fatana teo ambanin’izany rafi-bato manodidina izany.
24
Dia hoy Izy tamiko: Ireto no tranon’ny mpahandro. Ao ireo manao fanompoana ao amin’ny Trano no mahandro ny fanatitra alatsa-dra aterin’ny olona.
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 47 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48