bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 13
Ezekiel 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 14 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin’ny Israely izay maminany, koa lazao amin’izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo!
3
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny mpaminany adala izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.
4
Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna aolo ny mpaminaninao, ry Israely.
5
Tsy mba niakatra ho eo amin’ny banga ianareo sady tsy mba nanao manda hiarovana ny taranak’Israely mba hifaharany amin’ny ady amin’ny Andron’NY TOMPO.
6
Mahita zava-poana sy faminaniana tsy marina ireo izay milaza hoe: Hoy NY TOMPO, nefa tsy nirahin’NY TOMPO izy tsinona, nefa manantena fa ho to ny teniny.
7
Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo ary faminaniana lainga no lazainareo, raha milaza ianareo hoe: Hoy NY TOMPO! Kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona?
8
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ny teninareo dia anoano foana, ary ny fahitanareo dia lainga fotsiny dia indro, hamely anareo Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
9
Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ny mpanolotsainan’ny oloko na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’Israely izy sady tsy hiditra ao amin’ny tanin’ny Israely; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
10
Noho ny nampiviliany ny oloko tamin’ny nanaovany hoe: Fiadanana! Kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary rehefa manao ampiantany ny oloko dia indreo, izy no mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity.
11
Koa lazao amin’izay mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity fa hirodana izany! Hisy ranonorana mifafy. Eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy! Ary mifofofofoa ianareo, ry tafio-drivotra!
12
Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo va hoe: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?
13
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin’ny fahatezerako Aho; hisy ranonorana mifafy amin’ny fahatezerako ary havandra vaventy amin’ny fahavinirako ka hahafongana azy.
14
Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin’ny rihitra tsy madity ka ho fongotra hatramin’ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy ka haringana ao anatiny ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
15
Hotanterahiko amin’ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,
16
dia ny mpaminanin’ny Israely izay maminany ny amin’i Jerosalema, sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanana tsinona, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
17
Koa ianao, ry zanak’olona, handrino mafy ny zanakavavin’ny firenenao izay manao faminaniana araka ny fony ary maminania ny hamelezana azy!
18
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho amin’ny foto-tanan’ny olona rehetra, ary manao voaly antonona ny loha samihafa rehetra mba hihazanareo ny ain’ny olona! Ny ain’ny oloko dia hazainareo, nefa ny ainareo kosa velominareo!
19
Manamavo Ahy ao amin’ny oloko ianareo noho ny varimbazaha eran’ny tanana ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny ain’olona izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny ain’olona izay tsy tokony hovelomina, amin’ny andainganareo amin’ny oloko izay mihaino ny lainganareo.
20
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hosimbako ny fonon-tanana nataonareo, izay entinareo hihaza ny ain’olona any toy ny fihaza voronkely. Eny, hotriariko hiala amin’ny sandrinareo izany ka halefako hanidina ny ain’ny olona izay nohazainareo toy ny fihaza voronkely.
21
Hotriariko koa ny voalinareo ka hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon’ny tananareo ho haza intsony izy; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
22
Satria lainga no entinareo manaketraka ny fon’ny marina izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ny ratsy fanahy mba tsy hialany amin’ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
23
dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana tsy marina intsony ianareo, fa hovonjeko ho afaka amin’ny tananareo ny oloko. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48