bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 19
Ezekiel 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 20 →
1
Ary ianao, manaova hira fisaonana ny amin’ireo andrianan’ny Israely
2
ka lazao hoe: Inona moa reninareo? Liom-bavy izy. Namitsaka teo amin’ny liona izy ary nitaiza ny zanany teo amin’ny liona tanora.
3
Nahalehibe ny zanany iray izy dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
4
Nahare ny lazany ny firenena dia namandrika azy tamin’ny lavaka ka nasiany masom-by ny orony, ary noentiny ho any amin’ny tany Ejipta izy.
5
Nony hitan’ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany dia nanalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
6
Dia nivoivoy teny amin’ny liom-bavy iny ka tonga liona tanora, ary nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
7
Narodany ny lapan’ireny sady noravany ny tanànany ka lao ny tany mbamin’izay rehetra tao aminy noho ny feon’ny fierony.
8
Ary ny Jentilisa manodidina, izay avy any amin’ny fari-piadidiany samihafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy ka voafandrika tamin’ny lavaka izy.
9
Nataony tamin’ny tranokely izy ka nasiany masom-by ny orony ary noentiny ho any amin’ny mpanjakan’i Babilona izy; noentiny ho ao amin’ny manda izy mba tsy ho re intsony ny feony eny amin’ny tendrombohitry ny Israely.
10
Ny reninao dia tahaka ny voaloboka voavoly teo amoron-drano, vokatra sady nanaroka izy azon’ny rano betsaka.
11
Nisy rantsany matanjaka teo aminy ka azo natao tehim-panjakana ho an’izay manapaka izany. Tonga avo izy ka nitehika teny amin’ny rahona matevina, mora tazana noho ny haavony izy sy noho ny hamaroan’ny rantsany.
12
Nefa nongotana tamin’ny fahavinirana izy ka nazera ho amin’ny tany; ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; ny rantsany matanjaka dia tapaka ka maina; levon’ny afo ireny.
13
Ary ankehitriny dia voavoly any an-tany efitra izy, dia ao amin’ny tany maina sady karankaina.
14
Afo no mivoaka avy amin’ny sampany ka mandevona ny voany; tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fisaonana izany sady mbola ho hira fisaonana ihany.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48