bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 18
Ezekiel 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 19 →
1
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Nahoana no manao izao oha-teny izao ao amin’ny tanin’ny Israely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy ka ny nifin’ny zanany no madilo?
3
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hisy hanaovanareo izany oha-teny izany ao amin’ny Israely intsony.
4
Indro, Ahy ny aina rehetra; toy ny ain’ny ray, dia toy izany koa ny ain’ny zanany; samy Ahy ireny; ny olona izay manota no ho faty.
5
Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
6
tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ny sampin’ny taranak’Israely, na mandoto ny vadin’ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ny fadimbolana,
7
na mampahory olona fa mamerina ny natao antoka, tsy mandroba fa manome ny haniny ho an’ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
8
tsy mampanjana-bola na maka tombony akory fa miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy, ary manao fitsarana marina amin’izay miady,
9
ary mandeha araka ny lalànako sy mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
10
Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-dra izy ka indrisy, manao na dia ny iray ihany amin’ireo zavatra ireo aza iny,
11
nefa izy tenany tsy nanao ireo zavatra ireo akory fa ilay zazalahy no mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin’ny namany,
12
na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao antoka, na manandratra ny masony ho amin’ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
13
na mampanjana-bola, na maka tombony, moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy ary ny rany dia ho aminy ihany!
14
Fa raha iny kosa indray no miteraka zazalahy izay mahita ny fahotana rehetra nataon’ny rainy, nefa nony mahita izany izy dia tsy mba manao tahaka izany
15
ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ny sampin’ny taranak’Israely, na mandoto ny vadin’ny namany,
16
na mampahory olona, na maka antoka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an’ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
17
miaro ny tanany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanàna vola na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalànako, dia tsy ho faty noho ny heloky ny rainy izy; ho velona tokoa izy.
18
Ny amin’ny rainy kosa, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin’ny fireneny, dia indro, ho faty noho ny helony izy.
19
Nefa hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny heloky ny rainy? Raha ny zanaka no manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy dia ho velona tokoa izy.
20
Ny olona izay manota no ho faty. Ny zanaka dia tsy hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray dia tsy hitondra ny heloky ny zanany. Ny fahamarinan’ny marina dia ho aminy ihany, ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy kosa dia ho aminy ihany.
21
Fa raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.
22
Ny fahadisoany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
23
Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy NY TOMPO Andriamanitra, fa tsy ny hialany amin’ny lalany mba ho velona izy?
24
Fa raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana. Noho ny fahadisoana sy ny fahotana izay nataony dia ho faty izy.
25
Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’Israely! Moa ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina?
26
Raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’izany dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
27
Ary raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy dia hahavonjy ny ainy izy.
28
Raha mahita ny fahadisoana rehetra izay nataony izy ka miala amin’izany dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.
29
Nefa hoy ny taranak’Israely: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Ry taranak’Israely, ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina?
30
Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
31
Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo. Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’Israely?
32
Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Koa mibebaha ianareo mba ho velona!
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48