bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 3
Ezekiel 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 4 →
1
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana ka mitenena amin’ny taranak’Israely!
2
Dia nosokafako ny vavako ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.
3
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao ary fenoy ity horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao! Dia nihinana aho ka mamy tao am-bavako toy ny tantely izany.
4
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, andeha mankany amin’ny taranak’Israely ka lazao aminy ny teniko.
5
Fa tsy ho any amin’ny firenena manao fiteny tsy hay sy miboredidredika no anirahana anao, fa ho any amin’ny taranak’Israely ihany.
6
Tsy ho amin’ny firenena maro izay manao fiteny tsy hay sy miboredidredika ka tsy ho azonao ny teniny. Fa raha tamin’ireny no nanirahako anao dia ho nihaino anao tokoa izy.
7
Fa ny taranak’Israely dia tsy mety mihaino anao satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak’Israely rehetra dia mafy handrina sady mafy fo.
8
Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.
9
Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza. Koa aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny fa taranaka maditra izy.
10
Ary hoy ihany Izy tamiko: Ry zanak’olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia raiso ao am-ponao ka henoy amin’ny sofinao.
11
Dia mandehana mankany amin’ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao, ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, na hihaino izy na tsy hihaino.
12
Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitry NY TOMPO avy amin’ny fitoerany!
13
Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zavamananaina izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodiarana teo anilany sy ny horakoraka be.
14
Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady tezitra no nivonto ny fanahiko; ary ny tanan’NY TOMPO dia nahery tamiko.
15
Dia tonga tany amin’ny babo tany Tela-Aviva aho, teo amin’izay nonina teo amoron’ny ony Kebara, teo amin’izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana aho dia teo anivony, nivarahontsana.
16
Nony afaka ny hafitoana dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
17
Ry zanak’olona, efa nataoko mpitily ho an’ny taranak’Israely ianao ka hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako, ary avy Amiko no hananaranao azy.
18
Raha hoy Aho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! Nefa tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy hialany amin’ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny rany.
19
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy mety miala amin’ny faharatsiany sy amin’ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ny helony ihany izy, fa ho voavonjinao ny ainao.
20
Ary koa, raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia ho faty izy; eny, noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin’ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin’ny tananao ny rany.
21
Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra ary voavonjinao koa ny ainao.
22
Tao dia tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna ka mivoaha ho any amin’ny lohasaha ary any no hitenenako aminao.
23
Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin’ny lohasaha; ary indro, tao ny voninahitry NY TOMPO, tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany. Dia niankarapoka tamin’ny tany aho.
24
Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy. Dia niteny tamiko Izy hoe: Andeha, mirindrìna ao anatin’ny tranonao ianao.
25
Fa ianao, ry zanak’olona, indro, hasiany mahazaka hamatorany anao ianao ka tsy hahazo mivoaka ho eo anivony intsony ianao.
26
Ary hampiraiketiko amin’ny lanilaninao ny lelanao ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.
27
Fa rehefa miteny aminao Aho dia hosokafako ny vavanao ka holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izay mihaino dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino dia aoka izy tsy hihaino; fa taranaka maditra izy.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48