bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 26
Ezekiel 26
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 27 →
1
Tamin’ny andro voalohany amin’ny volana, tamin’ny taona fahiraika amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, noho ny nandatsan’i Tiro an’i Jerosalema hoe: Hia! Akory izay! Potika ilay vavahadin’ny firenena! Mba anjarako kosa izao ka ho feno aho, fa izy kosa dia ho foana!
3
Dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hamely anao Aho, ry Tiro, ka hampiakatra firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
4
Horavan’ireo ny mandan’i Tiro sady harodany ny tilikambo fiambenany, dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.
5
Ho toerana famelarana harato eo amin’ny ranomasina izy. Izaho no niteny izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ho babon’ny firenena izy,
6
ary ny vohitra miankina aminy, izay eny an-tanety, dia hovonoina amin’ny sabatra, dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
7
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, entiko avy any avaratra ho any Tiro i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, andrianan’ny andriana, mitondra soavaly, kalesy fitondra miady, mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
8
Ny vohitra miankina aminao, izay eny an-tanety, dia hovonoiny amin’ny sabatra; hanandratra manda fanafihana sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.
9
Hanoto ny mandanao amin’ny lohondry vy fandravana izy sady horavany amin’ny fiadiany ny tilikambo fiambenanao.
10
Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny hamaroan’ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodiarana ary ny kalesy fitondra miady, rehefa miditra eo amin’ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ny tanàna izay voabanga izy.
11
Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin’ny sabatra ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin’ny tany.
12
Hobaboiny ny harenanao, horobainy ny entam-barotrao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinaritra; ary ny vatonao sy ny hazonao ary ny vovoka eo aminao dia hataony any anaty rano.
13
Hatsahatro ny tabataban’ny hiranao sady tsy ho re intsony ny fanenon’ny lokanganao.
14
Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho toerana famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho TOMPO no niteny, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
15
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’i Tiro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary feno famonoana ao anatinao?
16
Hidina hiala amin’ny sezafiandrianany ireo andrianan’ny ranomasina rehetra ka hanala ny akanjobe sy hanaisotra ny fitafiany misoratsoratra; hovitra no hitafiany ka hipetraka amin’ny tany izy; hangovitra isaky ny indray mipy maso izy ary ho very hevitra noho ny aminao.
17
Ary hanao hira fisaonana ny aminao izy ka hiteny aminao hoe: Indrisy! Rava ianao, ry ilay nonenan’ny mpandeha an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ny ranomasina, dia izy mbamin’ny mponina ao izay nampihorohoro ny mponina rehetra eo aminy!
18
Ankehitriny dia raiki-tahotra ny moron-dranomasina amin’ny andro ianjeranao; eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny faharavanao.
19
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa ataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna aolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano ao amin’ny lalina ka hosaronan’ny ranobe ianao,
20
dia hampidiniko hiaraka amin’izay mivarina any an-davaka ianao, hankany amin’ny razana fahiny ka hamponeniko any ambanin’ny tany ianao, dia any amin’ny fonenana efa lao hatramin’ny ela, hiaraka amin’izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony ianao. Hasiako voninahitra eo amin’ny tanin’ny velona;
21
dia hataoko fampitahorana ianao ka tsy ho eo intsony; eny, hotadiavina ianao nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48