bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 40
Ezekiel 40
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 41 →
1
Tamin’ny taona fahadimy amby roapolo taorianan’ny namaboana antsika, tamin’ny niandohan’ny taona, tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana, tamin’ny taona fahefatra amby folo taorianan’ny namelezana ny tanàna, tamin’izany andro izany dia tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO ka nitondra ahy ho any Izy.
2
Fahitana avy amin’Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ny tanin’ny Israely ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy zavatra toy ny trano ao amin’ny tanàna teo amin’ny ilany atsimo.
3
Dia noentiny nankao aho ka indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tanany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
4
Dia hoy Ralehilahy tamiko: Ry zanak’olona, mijere amin’ny masonao ary mihainoa amin’ny sofinao ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ny taranak’Israely izay rehetra hitanao.
5
Ary indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan’ny trano, ary teny an-tanan-dRalehilahy dia nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra felatanana iray noho ny fanao. Norefesiny ny hatevin’ny ampiantany ka iray volotara fandrefesana, ary ny haavony dia iray volotara fandrefesana koa.
6
Dia tonga teo amin’ny vavahady manatrika ny atsinanana izy ka niakatra tamin’ny zanatohatra aminy dia nandrefy ny tokonan’ny vavahady, ka iray volotara fandrefesana ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany ary iray volotara fandrefesana ny sakan’ny tokonana iray koa.
7
Ny efitrefitra fiambenana dia iray volotara fandrefesana ny lavany ary iray volotara fandrefesana koa ny sakany; ny elanelan’ny efitrefitra fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonan’ny vavahady eo anilan’ny lalantsaran’ny vavahady, tao anatiny, dia iray volotara fandrefesana.
8
Norefesiny koa ny lalantsaran’ny vavahady tao anatiny ka iray volotara fandrefesana koa.
9
Ary norefesiny ny lalantsaran’ny vavahady ka valo hakiho; ny andriny dia roa hakiho; ary ny lalantsaran’ny vavahady dia teo anatiny.
10
Ary ny efitrefitra fiambenana teo amin’ny vavahady atsinanana dia telo teo andaniny avy; mitovy refy izy telo, ary mitovy refy koa ny andry teo amin’ny lafiny roa.
11
Norefesiny koa ny sakan’ny vavahady ka folo hakiho; ary ny lavan’ny vavahady dia telo amby folo hakiho.
12
Nisy arofanina teo anoloan’ny efitrefitra fiambenana ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ny efitrefitra fiambenana dia enina hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary enina hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray.
13
Norefesiny koa ny vavahady hatramin’ny tafon’ny efitrefitra fiambenana iray ka hatramin’ny tafon’ny iray koa, koa dimy amby roapolo hakiho ny sakany ary mifanatrika ny varavarana.
14
Norefesiny koa ny andry, dia enimpolo hakiho, ary nihatra tamin’ny andry ny kianja manodidina ny vavahady.
15
Hatreo anoloan’ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan’ny lalantsaran’ny vavahady anatiny dia dimampolo hakiho.
16
Nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na tao amin’ny efitrefitra fiambenana na tamin’ny andry ao anatin’ny vavahady, manodidina ny vavahady; toy izany koa tamin’ny lalantsara; ary ny tao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; teo amin’ny andry rehetra dia samy nisy sarin’ny hazo palma.
17
Dia noentiny ho any amin’ny kianja ivelany aho, ary indro, nisy efitrano sy lampivato teny amin’ny kianja manodidina; nisy efitrano telopolo teny amin’ny lampivato.
18
Ny lampivato dia teo anilan’ny vavahady sady nifanaraka tamin’ny lavan’ny vavahady: Lampivato ambany io.
19
Norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan’ny vavahady ambany ka hatreo anoloan’ny kianja anatiny, dia hatreo amin’ny ivelany ka zato hakiho, teo atsinanana sy teo avaratra.
20
Norefesiny koa ny lavany sy ny sakan’ny vavahadin’ny kianja ivelany izay nanatrika ny avaratra.
21
Ny efitrefitra fiambenany dia telo no teo an-daniny avy; ary ny andry sy ny lalantsara teo aminy dia nitovy refy tamin’ny vavahady voalohany ka dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
22
Ny varavarankeliny sy ny lalantsarany ary ny sarin’ny hazo palma taminy dia nitovy refy tamin’ireo amin’ny vavahady atsinanana; nisy zanatohatra fito ho fiakarana tao; ary ny lalantsara teo aminy dia tandrifin’ireo.
23
Ary nisy vavahadin’ny kianja anatiny, tandrifin’ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; norefesiny hatramin’ny vavahady iray ka hatramin’ny iray, dia zato hakiho.
24
Dia noentiny nianatsimo aho ka indro, nisy vavahady teo atsimo; norefesiny ny andry sy ny lalantsara teo aminy, dia araka ireo refy ireo ihany koa.
25
Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
26
Ary nisy zanatohatra fito ho fiakarana tao, ary ny lalantsara dia tandrifin’ireo; ary nisy sarin’ny hazo palma iray tamin’ny lafiny iray, ary iray koa tamin’ny lafiny iray teo amin’ny andriny.
27
Ary nisy vavahady fidirana amin’ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin’ny vavahady iray ka hatramin’ny iray, dia zato hakiho koa.
28
Ary noentiny niditra tamin’ny vavahady atsimo ho any amin’ny kianja anatiny aho. Dia norefesiny ny vavahady atsimo ka araka ireo refy ireo ihany koa.
29
Ny efitrefitra fiambenana, ny andry ary ny lalantsara eo aminy dia araka ireo refy ireo ihany koa. Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
30
Nisy lalantsara manodidina azy, dimy amby roapolo hakiho ny lavany ary dimy hakiho ny sakany.
31
Ny lalantsara teo aminy dia nanatrika ny kianja ivelany; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andry, ary nisy zanatohatra valo ho fiakarana tao.
32
Dia noentiny niantsinanana ho any amin’ny kianja anatiny aho, dia norefesiny ny vavahady ka araka ireo refy ireo ihany koa.
33
Ary ny efitrefitra fiambenana, ny andry ary ny lalantsara teo aminy dia araka ireo refy ireo ihany koa. Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
34
Nanatrika ny kianja ivelany ny lalantsara teo aminy; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andry teo andaniny roa, ary nisy zanatohatra valo ho fiakarana ao.
35
Ary noentiny ho any amin’ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny ka araka ireo refy ireo ihany koa.
36
Teo amin’izany koa dia nisy ny efitrefitra fiambenana, ny andry, ny lalantsara, ary varavarankely manodidina, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
37
Nanatrika ny kianja ivelany ny andry teo aminy; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andriny teo an-daniny roa, ary zanatohatra valo no fiakarana ao.
38
Nisy efitrano misy varavarana teo anilan’ny andry teo am-bavahady ka tao no hanakobanana ny fanatitra dorana manontolo.
39
Teo amin’ny lalantsaran’ny vavahady dia nisy latabatra roa teo an-daniny roa, hamonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
40
Teo amin’ny ilany ivelany izay fiakarana hiditra teo amin’ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo amin’ny ilany iray koa, teo amin’ny lalantsaran’ny vavahady dia nisy latabatra roa koa.
41
Nisy latabatra efatra teo amin’ny ilany iray amin’ny vavahady ary latabatra efatra teo amin’ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana fanatitra.
42
Nisy latabatra efatra natao tamin’ny vato voapaika ho amin’ny fanatitra dorana manontolo, iray hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny haavony; teo no hametrahana ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa.
43
Ary nisy sisiny, felatanana iray ny sakany, manodidina eny amin’ny rindrina; ary eny ambonin’ny latabatra no hasiana ny hena hatao fanatitra.
44
Teo ivelan’ny vavahady anatiny, teo anilan’ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy efitrano maromaro ho an’ny mpihira, teo amin’ny kianja anatiny; nisy iray koa teo anilan’ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
45
Ary hoy izy tamiko: Ity efitrano manatrika ny atsimo ity dia ho an’ny mpisorona izay mitandrina ny anjara raharahany amin’ny trano.
46
Ary ny efitrano manatrika ny avaratra kosa dia ho an’ny mpisorona izay mitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny alitara. Ireo dia taranak’i Zadoka izay isan’ny taranak’i Levy ka manatona NY TOMPO hanao fanompoana ho Azy.
47
Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany ary zato hakiho koa ny sakany; efamira izany. Ny alitara dia teo anoloan’ny Trano.
48
Ary noentiny ho any amin’ny lalantsaran’ny Trano aho, dia norefesiny ny andriny amin’ny lalantsara fidirana ka dimy hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary dimy hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray; ny sakan’ny vavahady dia telo hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary telo hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray.
49
Roapolo hakiho ny lavan’ny lalantsara fidirana ary iraika amby folo hakiho ny sakany; nisy zanatohatra hiakarana tao; nisy andry teo anilan’ny tolana, iray teo an-daniny, iray teo an-kilany.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48