bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 41
Ezekiel 41
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 42 →
1
Ary noentiny ho ao amin’ny tempoly aho. Norefesiny ny andry ka enina hakiho ny sakany tamin’ny lafiny iray ary enina hakiho ny sakany tamin’ny lafiny iray; sakan’ny tranolay izany.
2
Ny sakan’ny varavarana dia folo hakiho; ny andaniny sy ny ankilany amin’ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany ka efapolo hakiho ary ny sakany dia roapolo hakiho.
3
Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy. Norefesiny ny andry teo amin’ny varavarana: Roa hakiho, ary ny varavarana dia enina hakiho, ary ny sakan’ny varavarana dia fito hakiho.
4
Norefesiny ny lavany: Roapolo hakiho, ary ny sakany dia roapolo hakiho teo anoloan’ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io ny fitoerana masina indrindra.
5
Ary norefesiny ny rindrin’ny Trano ka ny hatevin’ny rindrin’ny Trano dia enina hakiho ary ny sakan’ny paosin-trano dia efatra hakiho.
6
Ireo paosin-trano ireo dia milahatra ho rihana telo izay miverina intelopolo; ary nitsatoka tamin’ny rindrina izay ho an’ny paosin-trano manodidina izy, fa tsy nitsatoka amin’ny rindrin’ny Trano.
7
Ny sakan’ireo paosin-trano ireo dia nihamalalaka isaky ny rihana, fa niampy isaky ny rihana izany ka nihamalalaka araka ny fisandratany; ary ny tombon’ny ambony amin’ny antenantenany dia tahaka ny tombon’ny antenantenany amin’ny ambany.
8
Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny Trano ho fanorenana ny paosin-trano, ary ny fanorenan’ny paosin-trano dia iray volotara fandrefesana, enina hakiho hatramin’ny fifanohizany.
9
Ny hatevin’ny rindrina ivelany amin’ny paosin-trano dia dimy hakiho; ny sisa navela manelanelana ny paosin-trano
10
sy ny efitrano dia roapolo hakiho manodidina ny trano manontolo.
11
Ary ny varavaran’ny paosin-trano dia mankao amin’ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ny sakan’ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.
12
Ny vatan-trano izay teo anoloan’ilay kianja voafaritra teo amin’ny lafiny andrefana dia fitopolo hakiho ny sakany, ary ny rindrin’ny trano dia dimy hakiho ny hatevin’ny manodidina ary sivifolo hakiho ny lavany.
13
Dia nandrefy ny Trano izy ka zato hakiho ny lavany, ary ilay kianja voatokana sy ny vatan-trano ary ny rindrina dia zato hakiho ny lavany.
14
Ary ny sakan’ny Trano eo anoloany sy ilay kianja voafaritra teo atsinanana dia zato hakiho.
15
Dia norefesiny ny lavan’ny Trano teo anoloan’ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalantsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty, ny lalantsara ao amin’ny kianja,
16
ny tokonana, ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny rihana telo miantoana manodidina izay manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, hatramin’ny tany ka hatramin’ny varavarankely koa, ary nihidy ny varavarankely.
17
Teo ambonin’ny varavarana, na amin’ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin’ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany dia namelàna toerana
18
hasiana sarin’ny kerobima sy ny hazo palma, koa ny sarin’ny hazo palma dia teo anelanelan’ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy
19
ka tarehin’olona no nanatrika ny hazo palma teo an-daniny, ary tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo palma teo an-kilany; ny manodidina ny Trano dia natao tahaka izany avokoa.
20
Hatreo amin’ny tany ka hatrany ambonin’ny varavarana no nasiana sarin’ny kerobima sy ny hazo palma, teo amin’ny rindrin’ny tempoly.
21
Efamira ny tolanam-baravaran’ny tempoly, ary ny manoloana ny fitoerana masina dia nitovy endrika tamin’izany koa.
22
Ny alitara dia hazo ka telo hakiho ny haavony ary roa hakiho ny lavany; nisy zorony koa ka ny lavany sy ny sisiny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan’NY TOMPO.
23
Ary ny tempoly sy ny fitoerana masina dia nisy lelam-baravarana roa.
24
Ireo lelam-baravarana ireo dia samy kopa-droa avy, lelam-baravarana roa amin’ny iray, ary lelam-baravarana roa koa amin’ny iray.
25
Nisy sarin’ny kerobima sy ny hazo palma natao teo amin’ny varavaran’ny tempoly, tahaka izay natao teo amin’ny rindrina ihany; nisy tatao hazo teo anoloan’ny lalantsara fidirana, teo ivelany.
26
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin’ny hazo palma teo an-daniny roa, dia teo anilan’ny lalantsara fidirana sy teo amin’ireo paosin-trano momba ny Trano ary teo amin’ny tatao.
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 42 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48