bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 8
Ezekiel 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 9 →
1
Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahenina, tamin’ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho ary nipetraka teo anatrehako ny loholon’ny Joda dia nanan-kery tampoka tamiko ny tanan’NY TOMPO Andriamanitra.
2
Ary hitako fa indro, nisy zavatra nitarehin’afo; hatramin’ny andilany no ho midina dia afo; ary hatramin’ny andilany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra, toy ny volon’ny metaly mamirapiratra.
3
Ary nisy zavatra nitarehin-tanana natsotra ka noraisiny tamin’ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho eo amin’ny vavahadin’ny kianja anatiny izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra mampahasaro-piaro, ilay mampahasaro-piaro.
4
Ary indro, teo ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely, tahaka ilay fahitana hitako teo amin’ny lohasaha.
5
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, atopazo kely mianavaratra ny masonao! Dia natopiko mianavaratra ny masoko ka indro, eny avaratry ny vavahadin’ny alitara, teo amin’ny fidirana, no nisy ilay sarin-javatra mampahasaro-piaro.
6
Hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va izay ataon’ireo, dia ireo fahavetavetana lehibe izay ataon’ny taranak’Israely eto ka mampanalavitra Ahy amin’ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
7
Dia noentiny ho eo amin’ny vavahadin’ny kianja aho. Ary hitako fa indro, nisy loaka teo amin’ny rindrina.
8
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, loahy ny rindrina! Dia noloahako ny rindrina ka indro, nisy varavarana.
9
Ary hoy Izy tamiko: Midira ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony ato!
10
Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin’ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an’ny taranak’Israely, voasoratra teny amin’ny rindrina manodidina.
11
Ary nisy fitopolo lahy, isan’ny loholon’ny taranak’Israely, nitsangana teo anoloan’ireo, ary Jazania, zanak’i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tanany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonaka.
12
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’ny loholon’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina, samy ao amin’ny efitranony misy sarin’ny sampiny? Fa hoy izy: NY TOMPO tsy mahita anay, efa nahafoy ny tany Izy!
13
Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
14
Dia noentiny ho eo anoloan’ny vavahadin’ny tranon’NY TOMPO, izay manatrika ny avaratra aho; ary indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an’i Tamoza.
15
Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak’olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.
16
Dia noentiny ho eo amin’ny kianja anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO aho, ary indro, teo am-baravaran’ny tempolin’NY TOMPO, teo anelanelan’ny lalantsara fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roapolo lahy niamboho ny tempolin’NY TOMPO ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
17
Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak’olona? Moa ataon’ny taranak’i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany ka mampahatezitra Ahy lalandava izy. Ary indro, nanainga ny rantsan-kazo ho amin’ny orony izy.
18
Ary Izaho kosa hamely amin’ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy dia tsy hihaino azy Aho.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48