bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 20
Ezekiel 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 21 →
1
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon’ny Israely mba hanontany amin’NY TOMPO ka nipetraka teo anatrehako izy.
2
Dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
3
Ry zanak’olona, mitenena amin’ireo loholon’ny Israely ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa hanontany Amiko va no iavianareo? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
4
Tsy hotsarainao va izy, ry zanak’olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahafantaro azy ny fahavetavetan’ny razany!
5
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny andro nifidianako ny Israely sy nananganako tanana tamin’ny taranak’i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin’ny tany Ejipta, raha nanangan-tanana taminy Aho ka niteny hoe: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo,
6
tamin’izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tany nozahako ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra,
7
dia hoy Aho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ny masonareo avy ianareo! Aza mandoto tena amin’ny sampin’i Ejipta! Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
8
Nefa nikomy Tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ny masony na nahafoy ny sampin’i Ejipta izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hanamparako ny fahatezerako eo amin’ny tany Ejipta izy.
9
Kanefa noho ny amin’ny anarako no nihetsehako mba tsy handotoana izany eo imason’ny Jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin’ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.
10
Koa nentiko nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy ka nentiko ho any an-tany efitra.
11
Nomeko azy ny didiko ary nampahafantariko azy ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany.
12
Nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho Amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho TOMPO no manamasina azy.
13
Kanjo nikomy tamiko tany an-tany efitra ihany ny taranak’Israely. Tsy nandeha araka ny didiko izy fa nanamavo ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto izay tsy izy ny Sabatako izy ka hoy Aho: Haidiko aminy any an-tany efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
14
Kanefa noho ny amin’ny anarako no nihetsehako mba tsy handotoana izany eo anatrehan’ny Jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
15
Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-tany efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin’ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra,
16
satria nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
17
Nefa niantra azy ihany ny masoko ka tsy naringako na nolevoniko tany an-tany efitra izy.
18
Fa hoy Aho tamin’ny zanany tany an-tany efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ny sampiny!
19
Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko ka araho izany.
20
Ary manamasìna ny Sabatako mba ho famantarana ho Amiko sy ho aminareo, dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
21
Kanjo nikomy tamiko koa ny zanany. Tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako ary hanamparako ny fahatezerako any an-tany efitra izy.
22
Nefa nampihemotra ny tanako Aho; koa noho ny amin’ny anarako no nihetsehako mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan’ny Jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
23
Ary Izaho koa no nanangan-tanana taminy tany an-tany efitra hampiely azy any amin’ny Jentilisa sy hampihahaka azy any amin’ny tany samihafa,
24
satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony dia nanaraka ny sampin’ny razany.
25
Ary Izaho koa no nanome azy didy tsy tsara sy fitsipika izay tsy mahavelona azy.
26
Dia nandoto azy tamin’ny fanatiny Aho, tamin’ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamakivaky ny afo, ka nataoko very hevitra izy, mba ho fantany fa Izaho no TOMPO.
27
Koa mitenena amin’ny taranak’Israely, ry zanak’olona, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’izao no mbola nanamavoan’ny razanareo Ahy tamin’ny nivadihany tamiko:
28
Nony nitondra azy ho any amin’ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho dia nahita ny vohitra avo rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanolorany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
29
Dia hoy Aho taminy: Ahoana moa ny amin’ny toerana fanaovana sorona alehanareo? Koa toerana fanaovana sorona no natao anarany mandraka androany.
30
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa tsy mandoto tena araka ny lalan’ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany,
31
ary mandoto tena amin’ny sampinareo rehetra mandraka androany amin’ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamakivaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’Israely? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
32
Tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritra ao an-tsainareo hoe: Ho tahaka ny Jentilisa izahay, dia tahaka ny foko any amin’ny tany samihafa ka hanao fanompoam-pivavahana ho an’ny vato aman-kazo.
33
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tanana mahery sy sandry atsotra ary fahatezerana miraraka no hanjakako aminareo.
34
Ary amin’ny tanana mahery sy ny sandry atsotra ary amin’ny fahatezerana miraraka no hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin’ny tany izay nampielezana anareo.
35
Dia hoentiko ho any an-tany efitry ny firenena ianareo ka any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
36
Tahaka ny nifandaharako tamin’ny razanareo tany an-tany efitry ny tany Ejipta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
37
Hampandaloviko eo ambanin’ny tehina ianareo ka hoentiko amin’ny fatoran’ny fanekena.
38
Havahako hiala aminareo ny mpikomy sy izay manota Amiko; eny, hoentiko hiala amin’ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ny tanin’ny Israely izy. Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
39
Ary ny aminareo, ry taranak’Israely, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Samia mandeha ianareo ka manompoa ny sampinareo! Nefa any aoriana any, moa tsy mba hihaino Ahy mihitsy va ianareo? Tsy hanamavo ny anarako masina intsony amin’ny fanatitrareo sy amin’ny sampinareo ianareo.
40
Fa ao amin’ny tendrombohitro masina, dia ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra, no hanompoan’ny taranak’Israely rehetra Ahy, dia izay rehetra ao amin’ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanomezanareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ny zava-masinareo rehetra.
41
Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin’ny hitondrako anareo mivoaka avy any amin’ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin’ny tany samihafa nampielezana anareo; dia hiseho ho masina eo anatrehan’ny Jentilisa Aho amin’ny hataoko aminareo.
42
Ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO rehefa mitondra anareo ho any amin’ny tanin’ny Israely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana homena ny razanareo.
43
Ary hotsaroanareo any ny lalanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra nataonareo.
44
Dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ny anarako, fa tsy araka ny lalan-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48