bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 36
Ezekiel 36
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 37 →
1
Ary ianao, ry zanak’olona, maminania amin’ny tendrombohitry ny Israely ka lazao hoe: Ry tendrombohitry ny Israely, mihainoa ny tenin’NY TOMPO!
2
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nanaovan’ny fahavalo anareo hoe: Hia! Lasanay ny havoana fahagola,
3
dia maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin’ny tany manodidina ka lasan’ny Jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon’ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka tonga ambentinteny amin’ny firenena,
4
dia mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra, ry tendrombohitry ny Israely: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tendrombohitra, ny havoana, ny lohasahan-driaka, ny lohasaha, ny korontam-bato ary ny tanàna aolo izay efa babo sy tonga fandatsa ho an’ny firenena sisa amin’ny manodidina,
5
eny, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny afon’ny fahasaro-piaroko tokoa no nitenenako namely ny firenena sisa sy ny Edoma rehetra izay nahalasa ny taniko ho fananany, tamin’ny fo feno fifaliana sy tamin’ny fanahy mamingavinga mba hangoronany azy ho babo.
6
Koa maminania ny amin’ny tanin’ny Israely ka lazao amin’ny tendrombohitra, ny havoana, ny lohasahan-driaka ary ny lohasaha hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, amin’ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no itenenako: Noho ny nitondranareo latsa avy tamin’ny firenena,
7
dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izaho efa nanangan-tanana ka niteny hoe: Marina tokoa fa ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.
8
Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Israely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an’ny Israely oloko; fa efa antomotra ny hiavian’izany.
9
Fa indro, tamy manatona anareo Aho ka hanatrika anareo, dia hasaina sy hamafazana ianareo.
10
Hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak’Israely rehetra; honenana ny tanàna ary haorina indray ny efa rava.
11
Dia hahamaro ny olona sy ny biby fiompy eny aminareo Aho ka hitombo sy hiteraka ireo; hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin’ny niandohanareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
12
Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Israely oloko; dia handray anao ho fananany izy ka hahalasa anao ho lovany ary tsy hahalany fara azy intsony ianao.
13
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nitenenany taminareo hoe: Ianao, ry tany, dia mandany olona sady mahalany fara ny firenenao,
14
dia tsy handany olona intsony ianao na hahalavo ny firenenao intsony, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
15
Hataoko tsy mahare ny latsan’ny Jentilisa intsony ianao sady tsy hitondra ny fanaratsiana ataon’olona intsony; ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
16
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
17
Ry zanak’olona, ny taranak’Israely nonina tany amin’ny taniny dia nandoto izany tamin’ny fanaony sy tamin’ny asany; fa tahaka ny fahalotoan’ny vehivavy mararin’ny fadimbolana no fahalotoan’ny fanaony eo anatrehako.
18
Koa naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny ra nalatsany teo amin’ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin’ny sampiny.
19
Naeliko tany amin’ny firenena izy ka nihahaka tany amin’ny tany samihafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy.
20
Ary nony tonga tany amin’ny firenena izay nalehany izy dia tonga fanamavoana ny anarako masina tamin’ny nilazan’ny olona azy hoe: Ireo no olon’NY TOMPO, ary avy tany amin’ny tanin’NY TOMPO no nivoahany!
21
Dia notsimbiniko ny anarako masina izay nohamavoin’ny taranak’Israely tany amin’ny firenena izay nalehany.
22
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’Israely, fa noho ny anarako masina izay nohamavoinareo tany amin’ny Jentilisa izay nalehanareo.
23
Hohamasiniko ny anarako lehibe izay nohamavoinareo tany amin’ny Jentilisa, dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, hoy NY TOMPO Andriamanitra, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin’ny ataoko aminareo.
24
Fa halaiko avy any amin’ny Jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hoentiko any amin’ny taninareo.
25
Dia hofafazako rano madio ianareo ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
26
Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo sady hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato ka homeko fo nofo ianareo.
27
Ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo ka hahatonga anareo handeha araka ny lalànako sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.
28
Ary honina any amin’ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo; ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo.
29
Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary ary tsy handefasako mosary intsony ianareo.
30
Hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha mba tsy ho voalatsan’ny Jentilisa amin’ny mosary intsony ianareo.
31
Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanaonareo tsy mety, ka haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
32
Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra; aoka ho fantatrareo izany! Koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’Israely!
33
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Amin’ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin’ny tanàna, ary haorina indray ny efa rava.
34
Hasaina ny tany efa lao fa tsy ho lao eo imason’ny mpandalo rehetra intsony izy.
35
Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda;
36
dia ho fantatry ny Jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho TOMPO no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho TOMPO no niteny sady hanatanteraka izany.
37
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao indray no mbola hataoko: Mbola hanaiky hotadiavin’ny taranak’Israely Aho mba hanaovako izao ho azy: Hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
38
Toy ny ondry aman’osy masina izay any Jerosalema amin’ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan’ny tanànany efa lao, amin’ny olona maro toy ny ondry aman’osy. Dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48