bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 1
Jeremiah 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 2 →
1
Ny tenin’i Jeremia, zanak’i Hilkia, isan’ny mpisorona tao Anatota, tao amin’ny tanin’ny Benjamina.
2
Izany tenin’NY TOMPO izany dia nampitondraina an’i Jeremia tamin’ny andron’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny taona fahatelo amby folo nanjakany,
3
sy tamin’ny andron’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ka hatramin’ny faran’ny taona fahiraika amby folo nanjakan’i Zedekia, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia hatramin’ny namaboana an’i Jerosalema tamin’ny volana fahadimy.
4
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
5
Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro.
6
Dia hoy aho: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
7
Fa hoy NY TOMPO tamiko: Aza miteny hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
8
Aza matahotra azy ianao; fa momba anao Aho ka hamonjy anao, hoy NY TOMPO.
9
Dia nanatsotra ny tanany NY TOMPO ka nanendry ny vavako ary hoy NY TOMPO tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
10
ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy fanjakana maro mba hanongotra sy hanjera, handrava sy handrodana, ary hanorina sy hamboly.
11
Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.
12
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
13
Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’NY TOMPO hoe: Inona izao hitanao izao? Dia novaliko hoe: Vilany mangotraka no hitako ary mitongilana avy any avaratra ny vavany.
14
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin’ny tany.
15
Fa indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, hoy NY TOMPO; dia ho tonga ka samy hametraka ny sezafiandrianany eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa, hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
16
Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa ary ny niankohofany teo anatrehan’ny asan’ny tanany.
17
Fa ianao kosa dia misikìna ary miomàna ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao. Aza matahotra azy ireo, fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
18
Indro, ianao dia hataoko ho toy ny tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
19
Fa hiady aminao ireny nefa tsy hahaleo anao satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy NY TOMPO.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52