bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 26
Jeremiah 26
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 27 →
1
Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’izao teny izao avy tamin’NY TOMPO hoe:
2
Izao no lazain’NY TOMPO: Mijoroa eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO ka lazao amin’ny tanànan’ny Joda rehetra izay avy hiankohoka ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
3
Fa angamba hihaino ihany izy ka samy hiala amin’ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny ratsy ataony.
4
Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalànako izay napetrako teo anoloanareo,
5
ary tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko izay irahiko aminareo, eny, nifoha vao maraina Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo,
6
dia hataoko tahaka an’i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ity tanàna ity.
7
Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra dia nandre an’i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
8
Koa nony efa tapitra voalazan’i Jeremia izay rehetra nasain’NY TOMPO holazaina tamin’ny vahoaka rehetra dia nosamborin’ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao!
9
Nahoana ianao no naminany tamin’ny anaran’NY TOMPO hoe: Ho tahaka an’i Silo ity trano ity, ary ho lao ity tanàna ity ka tsy hisy mponina intsony? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin’i Jeremia tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
10
Fa nony ren’ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany dia niakatra avy tany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankany amin’ny tranon’NY TOMPO ary nipetraka teo anoloan’ny vavahady vaovaon’NY TOMPO.
11
Ary ny mpisorona sy ny mpaminany dia nilaza tamin’ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa naminany loza ho amin’ity tanàna ity izy araka izay efa ren’ny sofinareo.
12
Dia nilaza tamin’ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia hoe: NY TOMPO no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ity trano sy ity tanàna ity.
13
Koa ankehitriny hatsarao ny fandehanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo; fa hanenenan’NY TOMPO ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.
14
Fa ny amiko dia indro, eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay heverinareo ho mety sy marina.
15
Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo dia ho meloka amin’ny ran’ny tsy manan-tsiny ianareo sy ity tanàna ity ary ny mponina eto satria NY TOMPO mihitsy no naniraka ahy teo aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
16
Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin’ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity satria tamin’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
17
Dia nisy nitsangana ny loholona ka niteny tamin’ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
18
I Mika morastita dia naminany tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ary niteny tamin’ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: «I Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary i Jerosalema dia ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Trano dia ho tonga toy ny havoana voarakotra ala» (Mik 3.12).
19
Moa namono azy va i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra NY TOMPO va izy ka nifona tamin’NY TOMPO, dia nanenenan’NY TOMPO ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampiditra loza lehibe amin’ny tenantsika.
20
Nisy lehilahy iray izay koa naminany tamin’ny anaran’NY TOMPO, dia i Oria, zanak’i Semaia, avy any Kiriata-Jearima, izay naminany loza ho amin’ity tanàna sy ity tany ity araka ireo teny rehetra nataon’i Jeremia teo ireo koa.
21
Ary nony ren’i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ary ireo komandiny rehetra ny teniny dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka. Nony nandre izany i Oria dia natahotra ka nandositra ary tonga tany Ejipta;
22
nefa nandefa iraka nankany Ejipta i Joiakima mpanjaka, dia i Elnatana, zanak’i Akbora, mbamin’ny olona sasany nanaraka azy hankany Ejipta.
23
Ary i Oria dia nalain’ireo niala avy tany Ejipta ka noentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; namono azy tamin’ny sabatra izy, dia nanary ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka.
24
Fa i Ahikama, zanak’i Safana, dia niaro an’i Jeremia mba tsy hanolorana azy hovonoina teo an-tanan’ny vahoaka.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52