bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 30
Jeremiah 30
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 31 →
1
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO:
2
Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Soratinao amin’ny boky ny teny rehetra izay nolazaiko taminao.
3
Fa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hampodiko ny oloko, dia ny Israely sy ny Joda, avy amin’ny fahababoany, hoy NY TOMPO; eny, hampody azy ho amin’ny tany izay nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
4
Ary izao no teny izay nolazain’NY TOMPO ny amin’ny Israely sy ny Joda,
5
eny, izao no lazain’NY TOMPO: Feo mampangovitra no renay; tahotra no misy fa tsy fiadanana.
6
Anontanionareo ka jereo, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; koa nahoana no samy hitako manery ny andilany amin’ny tanany avy ny lehilahy rehetra, ohatra ilay efa mihetsi-jaza iny, sady ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
7
Indrisy! Lehibe izany andro izany ka tsy misy tahaka azy; andro fahoriana ho an’i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’izany ihany izy.
8
Fa amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ny vozonao, hotapahiko koa ny kofehy namatorana anao, ary tsy hampanompo anao intsony ny firenena hafa;
9
fa hanompo NY TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany izay hatsangako ho azy izy.
10
Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy NY TOMPO; ary aza mivadi-po, ry Israely; fa indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary hovonjeko avy any amin’ny tany izay nahababo azy ny taranakao; dia hiverina i Jakoba ka hiadana sy handry fehizay, ary tsy hisy olona hanaitaitra azy intsony.
11
Fa momba anao Aho mba hamonjy anao, hoy NY TOMPO; koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao dia tsy mba holevoniko kosa ianao; nefa kosa mba hanariko araka ny onony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny amin’izao.
12
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Tsy misy fanafodiny ny faharatranao ary tsy azo sitranina ny ferinao.
13
Tsy misy miaro anao amin’izay mahazo anao; tsy misy famehezana hitsaboana ny ferinao; ary tsy misy fanafody hanasitranana anao.
14
Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; fa famelin’ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizana tsy mitsitsy, noho ny habetsahan’ny helokao sy ny hamaroan’ny fahotanao.
15
Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ny helokao sy ny hamaroan’ny fahotanao no nanaovako izany taminao.
16
Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo; izay mamabo anao dia hobaboina ary izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.
17
Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy NY TOMPO. Noho ny nitenenany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: I Ziona tsy misy mpitady ity,
18
dia izao no lazain’NY TOMPO: Indro, haveriko amin’ny laoniny ny tranolain’i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; koa ny tanàna dia haorina eo amin’ny havoanany, ary ny lapan’ny mpanjaka dia haorina indray eo amin’izay toerany marina.
19
Ary hisy fisaorana sy feon’ny mifaly avy ao aminy; dia hahamaro azy Aho ka tsy hihena ny isany, sady hanome voninahitra azy Aho ka tsy hambaniana izy.
20
Ny zanany koa dia ho tahaka ny tany aloha, ny fiangonany dia hampitoerina eo anatrehako ary hovaliko izay rehetra mampahory azy.
21
Ary ny lehibeny dia ho avy ao aminy ihany, ny mpanapaka azy koa dia ho avy ao aminy ihany; hampanakaiky azy Aho ka hanatona Ahy izy, fa iza moa no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? Hoy NY TOMPO.
22
Ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo.
23
E! Ny tadion’NY TOMPO! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.
24
Ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy hitsahatra raha tsy efany sy tanterany ny hevitry ny fony; mbola ho fantatrareo any am-parany ny amin’izany.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52