bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 38
Jeremiah 38
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 39 →
1
Ary i Safatia, zanak’i Matana, sy i Gedalia, zanak’i Pasora, ary i Jokala, zanak’i Selemia, sy i Pasora, zanak’i Malkia, dia nandre ny teny izay nolazain’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra hoe:
2
Izao no lazain’NY TOMPO: Izay mitoetra amin’ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; ny ainy no ho babony fa ho velona ihany izy.
3
Izao no lazain’NY TOMPO: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tanan’ny miaramilan’ny mpanjakan’i Babilona tokoa ka ho azony.
4
Dia hoy ny mpanapaka tamin’ny mpanjaka: Trara antitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity, fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin’ity tanàna ity mbamin’ny olona rehetra izy, noho ny nitenenany taminy araka izany teny teo izany; fa ity lehilahy ity dia tsy mba mitady izay hiadanan’ity firenena ity fa izay hahatonga loza aminy kosa.
5
Dia hoy i Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo ny mpanjaka.
6
Ary naka an’i Jeremia izy ireo ka nandatsaka azy tao amin’ny lavaka famorian-dranon’i Malkia, zanaky ny mpanjaka, izay tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ny tady mahazaka i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin’ny lavaka fa fotaka fotsiny ihany ka nilentika tao amin’ny fotaka i Jeremia.
7
Ary i Ebeda-Meleka kosita, tandapa iray tao amin’ny tranon’ny mpanjaka, dia nandre ny nandatsahan’ireo an’i Jeremia tao amin’ny lava-drano. Tamin’iny ny mpanjaka dia nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny Benjamina.
8
Dia nivoaka avy tao an-tranon’ny mpanjaka i Ebeda-Meleka ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe:
9
Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon’ity firenena ity tamin’i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-dava-drano izy ka ho faty mosary ao amin’izay itoerany satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
10
Ary niteny tamin’i Ebeda-Meleka kosita ny mpanjaka hoe: Mitondrà telopolo lahy hiaraka aminao hampakatra an’i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
11
Ary i Ebeda-Meleka dia nitondra ny olona niaraka taminy ka lasa nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka eo ambanin’ny trano fitahirizana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy ka nampidininy tamin’ny tady mahazaka ho ao amin’ny lavaka, ho ao amin’i Jeremia.
12
Dia hoy Ebeda-Meleka kosita tamin’i Jeremia: Ataovy eo ambanin’ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto, ary ho eo ambaniny ny tady mahazaka; dia nataon’i Jeremia izany;
13
ary nosintoniny tamin’ny tady mahazaka i Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka; dia nitoetra teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana izy.
14
Nandefa iraka haka an’i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin’ny fidirana fahatelo, izay ao amin’ny tranon’NY TOMPO, i Zedekia mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho ka aza anafenana na inona na inona.
15
Ary hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia tolorako saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
16
Ary i Zedekia mpanjaka dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nanome aina antsika toy izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tanan’ireto olona mitady ny ainao ireto.
17
Dia hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: Izao ary no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona tokoa ianao dia ho velona ny ainao sady tsy hodorana amin’ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
18
fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona kosa ianao dia hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeana ity tanàna ity sady hodorany amin’ny afo izy ary tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao.
19
Ary hoy i Zedekia mpanjaka tamin’i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tanany ka hataony fihomehezana.
20
Hoy anefa i Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trara antitra ianao, ankatoavy ny tenin’NY TOMPO, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao ka ho velona ny ainao.
21
Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao dia izao no teny efa nasehon’NY TOMPO ahy:
22
Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda dia hoentina mivoaka ho any amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona, ary ireo vehivavy ireo dia hiteny hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; ary rehefa latsaka tao amin’ny honahona ny tongotrao dia nilaozany nihemotra ianao.
23
Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia hoentina mivoaka ho any amin’ny Kaldeana; ary tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao, fa ho azon’ny tanan’ny mpanjakan’i Babilona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin’ny afo.
24
Dia hoy i Zedekia tamin’i Jeremia: Aoka tsy ho ren’olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao.
25
Fa rehefa ren’ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka miteny aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin’ny mpanjaka, aza afenina anay fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao anay koa izay nolazain’ny mpanjaka taminao;
26
dia lazao aminy hoe: Noraisin’ny mpanjaka ny fiangaviako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin’ny tranon’i Jonatana.
27
Ary nankany amin’i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian’ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo satria tsy nisy re ny raharaha.
28
Dia nitoetra teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana i Jeremia mandra-pahatongan’ny andro nahazoana an’i Jerosalema.
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52