bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 36
Jeremiah 36
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 37 →
1
Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO izao teny izao:
2
Makà horonan-taratasy ianao ka soraty amin’izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ny Israely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ny andro nilazako taminao, dia hatramin’ny andron’i Josia ka mandraka androany.
3
Angamba hohenoin’ny taranak’i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy ka samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy dia havelako ny helony sy ny fahotany.
4
Ary niantso an’i Baroka, zanak’i Neria i Jeremia; dia nosoratan’i Baroka tamin’ny horonan-taratasy ny tenin’NY TOMPO rehetra avy tamin’ny vavan’i Jeremia, dia izay efa nolazain’NY TOMPO taminy.
5
Dia nandidy an’i Baroka i Jeremia hoe: Izaho ity voatazona ka tsy afaka mankany amin’ny tranon’NY TOMPO;
6
koa mandehana ianao ka vakio eo anatrehan’ny vahoaka ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro fifadian-kanina ny tenin’NY TOMPO, izay efa nosoratanao avy tamin’ny vavako; ary vakio eo anatrehan’ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ny tanànany koa.
7
Fa angamba hoborahina eo anatrehan’NY TOMPO ny fifonany, dia samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’NY TOMPO ny amin’ity firenena ity.
8
Ary i Baroka, zanak’i Neria, dia nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin’NY TOMPO tamin’ny taratasy teo amin’ny tranon’NY TOMPO.
9
Fa tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, dia nisy fiantsoana fifadian-kanina teo anatrehan’NY TOMPO ho an’ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin’ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin’ny tanànan’ny Joda.
10
Dia novakin’i Baroka teo anatrehan’ny vahoaka rehetra tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny tenin’i Jeremia tamin’ny taratasy; izany dia tao amin’ny efitranon’i Gemaria, zanak’i Safana mpitantsoratra, teo amin’ny kianja ambony, teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’NY TOMPO.
11
Nony ren’i Mika, zanak’i Gemaria, zanak’i Safana, ny tenin’NY TOMPO rehetra tamin’ny boky,
12
dia nidina nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka izy ka nankao amin’ny efitranon’ny mpitantsoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia i Elisama mpitantsoratra; i Delaia, zanak’i Semaia; i Elnatana, zanak’i Akbora; i Gemaria, zanak’i Safana; ary i Zedekia, zanak’i Hanania mbamin’ny mpanapaka rehetra.
13
Dia nambaran’i Mika azy ny teny rehetra izay efa reny tamin’ny namakian’i Baroka ny taratasy teo anatrehan’ny vahoaka.
14
Dia nirahin’ny mpanapaka rehetra i Jehody, zanak’i Netania, zanak’i Selemia, zanak’i Kosy, ho any amin’i Baroka mba hiteny hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan’ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia noentin’i Baroka, zanak’i Neria, teny an-tanany ny horonan-taratasy, dia nankany aminy izy.
15
Ary hoy izy ireo taminy: Mipetraha ary ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin’i Baroka teo anatrehany ilay izy.
16
Rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy ireo, ary hoy izy tamin’i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin’ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
17
Ary i Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny fomba nanoratanao izao teny rehetra izao avy teo am-bavany.
18
Dia hoy i Baroka taminy: Izy no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, dia nosoratako an-taratasy tamin’ny ranomainty.
19
Dia hoy ny mpanapaka tamin’i Baroka: Mandehana ka miere ianao sy i Jeremia ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.
20
Dia niditra tao amin’ny mpanjaka tao amin’ny kianja izy ireo, nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra, ary nambarany teo anatrehan’ny mpanjaka ny teny rehetra.
21
Ary nirahin’ny mpanjaka i Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin’ny efitranon’i Elisama mpanoratra iny. Dia novakin’i Jehody teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan’ny mpanjaka izany.
22
Nipetraka tao amin’ny trano fitoerana amin’ny ririnina ny mpanjaka tamin’ny volana fahasivy, ary nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
23
Ary nony efa namaky toko telo na efatra i Jehody dia notapatapahin’ny mpanjaka tamin’ny antsin’ny mpitantsoratra ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny tao anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon’ny afo azy rehetra tao.
24
Tsy mba natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay nandre izany teny rehetra izany.
25
Ary na dia efa nifona tamin’ny mpanjaka aza i Elnatana sy i Delaia ary i Gemaria, mba tsy handoroany ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
26
Ary ny mpanjaka dia nandidy an’i Jeramela, zanak’andriana, sy i Seraia, zanak’i Azriela, ary i Selemia, zanak’i Abdela, hisambotra an’i Baroka mpanoratra sy i Jeremia mpaminany. Nefa nafenin’NY TOMPO izy roa lahy.
27
Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO, taorianan’ny nandoroan’ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan’i Baroka avy tamin’ny vavan’i Jeremia hoe:
28
Makà indray horonan-taratasy hafa koa ianao ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin’ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda.
29
Ary ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ianao dia efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka niteny hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babilona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ny biby eto?
30
Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian’ny hainandro amin’ny antoandro ary ho azon’ny fanala amin’ny alina.
31
Ary hampijaliako noho ny helony izy mbamin’ny taranany sy ny mpanompony; hataoko mihatra aminy sy amin’ny mponina any Jerosalema ary amin’ny lehilahy amin’ny Joda ny loza rehetra izay efa nolazaiko hatao aminy, nefa tsy nohenoiny.
32
Ary i Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa ka natolony an’i Baroka mpitantsoratra, zanak’i Neria, ary nosoratany tao, avy tamin’ny vavan’i Jeremia, ny teny rehetra izay tao amin’ilay horonan-taratasy nodoran’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, tamin’ny afo; sady nampiany teny maro mitovitovy amin’ireny koa aza.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52