bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 4
Jeremiah 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 5 →
1
Raha hiverina ianao, ry Israely, dia miverena Amiko, hoy NY TOMPO; ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao ka tsy hivezivezy foana,
2
fa hianiana amin’ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa NY TOMPO dia handray fitahiana avy Aminy ny firenena sady afaka hirehareha ny Aminy.
3
Fa izao no lazain’NY TOMPO amin’ny olon’ny Joda sy Jerosalema: Miasà tany vao ho anareo ianareo fa aza mamafy amin’ny tsilo.
4
Miforà ho an’NY TOMPO ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny ratsy ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy afaka hamono azy.
5
Ambaraonareo ao amin’ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka lazao hoe: Tsofy ao amin’ny tany ny anjomara! Miantsoantsoa mafy ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra amin’ny tanàna mimanda!
6
Manangàna faneva manandrify an’i Ziona; mandosira haingana, aza mijanona; fa Izaho hahatonga loza avy any avaratra, dia fandringanana be.
7
Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ny fitoerany hahafoana ny taninao ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
8
Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo ka mitomania sy midradradradrà; fa tsy afaka amintsika ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO.
9
Ary amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ho kepoka ny mpisorona ary ho gaga ny mpaminany.
10
Dia hoy aho: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin’ny nilazanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; kanjo mihatra amin’ny aina ny sabatra.
11
Amin’izany andro izany dia holazaina amin’ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-tany efitra hankany amin’ny oloko, zanako vavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
12
Fa izany dia rivotra mahery izay nirahiko avy amin’ireny, ary ankehitriny kosa dia hifandahatra aminy Aho.
13
Indro, avy toy ny rahona izy, ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady, haingana noho ny voromahery ny soavaliny. Lozantsika! Fa lany ringana isika.
14
Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ny ratsy mba hamonjena anao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
15
Fa injany misy feo manambara avy any Dana ary misy filazam-pahoriana avy amin’ny tany be havoana any Efraima.
16
Lazaonareo amin’ny firenena, torio amin’i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan’ny Joda.
17
Manodidina an’i Jerosalema ireo toy ny fanaon’ny mpiandry saha, fa nikomy Tamiko izy, hoy NY TOMPO.
18
Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; izany no vokatry ny faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin’ny ainao.
19
Endre ny kiboko! Endre izany kiboko! Manaintaina aho; endre! Mila ho vaky izany ny foko! Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho; fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.
20
Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; rava tampoka ny tranolaiko, eny, rava indray mipy maso monja ny ambaindaiko.
21
Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva sy handrenesako ny feon’anjomara?
22
Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; raha ny hanao ratsy dia kinga izy; fa ny hanao soa kosa dia tsy fantany.
23
Nojereko ny tany ka indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, indro, tsy teo intsony ny fahazavany.
24
Nojereko ny tendrombohitra ka indro, nihorohoro izy, ary nihozongozona ny havoana rehetra.
25
Nojereko ka indro, tsy nisy olona, ary efa nandositra ny voromanidina rehetra.
26
Nojereko ka indro, Karmela aza dia tonga tany efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’NY TOMPO, teo anoloan’ny firehetan’ny fahatezerany.
27
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy akory.
28
Noho izany dia hisaona ny tany ary ho tonga mainty ny lanitra ambony satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
29
Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia mandositra avokoa ny tanàna rehetra; mitsofoka any anatin’ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; lao avokoa ny tanàna rehetra ka tsy misy mponina intsony ao.
30
Ary hanao inona ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, dia foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; hanifika anao ireo lehilahy tia anao ka ny ainao aza dia hotadiaviny.
31
Fa efa nandre feo tahaka ny an’ny vehivavy eo am-piterahana aho sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny voalohan-janany, dia ny feon’i Ziona zanakavavy izay misefosefo sy mamelatra ny tanany no sady miteny hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ireo mpamono olona.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52