bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 23
Jeremiah 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 24 →
1
Lozan’ireo mpiandry ondry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy NY TOMPO.
2
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny amin’ireo mpitondra izay miandry ny oloko: Efa nampihahaka ny ondriko sy nandao azy ianareo, fa tsy nikarakara azy; koa indro, hovaliako ianareo noho ny ratsy nataonareo, hoy NY TOMPO.
3
Ary hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy Aho ka hampodiko ho any amin’ny saha niandrasana azy izy dia hitombo sy hihamaro.
4
Ary hanendry mpitondra ho azy Aho ka ireo no hiandry azy; ary tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy NY TOMPO.
5
Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hananganako Solofo marina ho an’i Davida, koa hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana marina amin’ny tany.
6
Amin’ny androny no hamonjena ny Joda sy handrian’ny Israely fehizay; ary izao no anarany izay hanononana Azy: NY TOMPO no fahamarinantsika.
7
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hitenenana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta!
8
Fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny taranak’Israely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy; dia honina ao amin’ny taniny izy.
9
Ny amin’ireo mpaminany: Montsamontsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra; toy ny olona mamo aho ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’NY TOMPO sy noho ny teniny masina.
10
Fa feno mpijangajanga ny tany; ary noho ny ozona no isaonan’ny tany; efa maina ny kijana any an-tany efitra; ary efa ratsy ny fanaon’ny olona sady ny tsy fahamarinana no heriny.
11
Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy NY TOMPO.
12
Koa ho toy ny lala-malama amin’ny haizim-pito ny lalany; hifanosika izy ka ho potraka ao; fa hahatonga loza aminy Aho amin’ny taona hamaliana azy, hoy NY TOMPO.
13
Ary tamin’ny mpaminanin’i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin’ny Baala izy ka nampivily ny Israely oloko.
14
Ary tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina: Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ny mpanao ratsy ka samy tsy misy miala amin’ny faharatsiany avy; eny, izy rehetra, Amiko, dia tonga tahaka an’i Sodoma, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’i Gomora.
15
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy ary hampisotroiko rano misy poizina, satria avy tamin’ny mpaminanin’i Jerosalema no nivoahan’ny faharatsiana ho any amin’ny tany rehetra.
16
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay maminany aminareo, fa mamitaka anareo ireo; ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy fa tsy izay aloaky ny vavan’NY TOMPO.
17
Sahy milaza amin’izay manamavo Ahy izy hoe: NY TOMPO no nilaza hoe: Hahita fiadanana ianareo; ary izay rehetra mandeha araka ny ditran’ny fony dia ilazany hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
18
Fa iza moa no efa isan’ny mpihevitra teo amin’NY TOMPO ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny Taminy ka nihaino ny teniny?
19
E! Ny tadion’NY TOMPO! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ny lohan’ny ratsy fanahy.
20
Ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy hitsahatra raha tsy efany sy tanterany ny hevitry ny fony; mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
21
Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho kanefa naminany ihany izy.
22
Fa raha isan’ireo nandray torohevitra Tamiko izy dia ho nitory ny teniko tamin’ny oloko ka namerina azy hiala tamin’ny lalany ratsy sy tamin’ny ratsy nataony.
23
Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? Hoy NY TOMPO, fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
24
Moa misy olona afaka miafina any amin’ny toerana fierena va ka tsy ho hitako? Hoy NY TOMPO. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? Hoy NY TOMPO.
25
Efa reko ny nolazain’ny mpaminany izay naminany lainga tamin’ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
26
Mandra-pahoviana no hiheveran’ireo mpaminany ireo hilazany lainga sy haminaniany araka ny fitaky ny fony
27
ka hampanadino ny oloko ny anarako amin’ny nofiny izay lazainy amin’ny namany avy, toy ny nanadinoan’ny razany ny anarako noho ny amin’ny Baala?
28
Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa inona moa izay mololo raha oharina amin’ny vary? Hoy NY TOMPO.
29
Tsy tahaka ny afo va ny teniko? Hoy NY TOMPO, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
30
Koa indro, fa hasiako ny mpaminany, izay samy mangalatra ny teniko amin’ny namany avy, hoy NY TOMPO.
31
Indro, hoy NY TOMPO, Izaho no hamely ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe avy Amiko izany.
32
Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy NY TOMPO, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; nefa tsy naniraka azy na nandidy azy Aho tsinona, koa dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy ireny, hoy NY TOMPO.
33
Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona ka miteny hoe: Inona indray no enta-mavesatry NY TOMPO? Dia teneno aminy hoe: Ianareo no enta-mavesatra ka hariako ianareo, hoy NY TOMPO.
34
Ary raha misy miteny ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ny vahoaka hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO, dia hoteneniko izany olona izany mbamin’ny ankohonany.
35
Samia manontany amin’ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’NY TOMPO? Ary ahoana no nolazain’NY TOMPO?
36
Fa ny hoe ny enta-mavesatry NY TOMPO dia tsy hotononinareo intsony; fa ny tenin’ny olona tsirairay ihany no ho enta-mavesatry ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’Andriamanitra velona, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitsika.
37
Izao no hanontanianareo amin’ny mpaminany: Ahoana no navalin’NY TOMPO anao? Ary ahoana no nolazain’NY TOMPO?
38
Fa raha hoy ianareo: Enta-mavesatry NY TOMPO, dia izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO, nefa efa nandefasako iraka ihany ianareo ka nilazako hoe: Aza miteny izany hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO izany,
39
indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;
40
ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny henatra mandrakizay izay tsy hohadinoina.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52