bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 6
Jeremiah 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 7 →
1
Mandosira haingana hiala an’i Jerosalema, ianareo zanak’i Benjamina! Tsofy ao Tekoa ny anjomara ka manangàna famantarana ao Bety-Hakerema; fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
2
Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia i Ziona zanakavavy.
3
Ao aminy no alehan’ny mpiandry ondry sy ny ondriny; haoriny manodidina azy ny tranolainy ka samy handany ny ao akaikiny avy izy.
4
Miomàna ianareo hanao ady masina hamelezana azy; mitsangàna ka andeha isika hamely azy antoandrobenanahary. Lozantsika! Fa lasan-davitra ny andro, ary efa mandroso ny aloky ny hariva.
5
Mitsangàna ka andeha isika hanao latsaka alina ary aoka horavantsika ny lapany.
6
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io ilay tanàna hovaliana, fa feno fampahoriana ny ao anatiny.
7
Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; herisetra sy fandravana no re ao aminy; eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
8
Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao hiala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy azo onenana.
9
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hotsimponina tsirairay toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin’ny Israely; avereno ho amin’ny rantsany indray ny tananao, toy ny an’ny mpioty voaloboka.
10
Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora ka tsy mahahaino izy. E! Ny tenin’NY TOMPO dia fahafaham-baraka ho azy ireo ka tsy ankamamìny.
11
Fa feno ny fahatezeran’NY TOMPO aho ka tsy zakako tsindriana intsony izany! Aidino amin’ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin’ny andian-jatovo izany; fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, na ny antitra sy efa ela niainana koa.
12
Ho lasan’ny sasany ny tranony mbamin’ny sahany sy ny vehivavy koa; fa hatsotrako amin’ny mponina amin’ny tany ny tanako, hoy NY TOMPO.
13
Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
14
Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nitenenany hoe: Fiadanana, fiadanana! Kanjo tsy misy fiadanana akory!
15
Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany, koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy; amin’ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO.
16
Izao no lazain’NY TOMPO: Mijanòna eo an-dalana ianareo ka zahao ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela: Aiza izay lalana mankany amin’ny tsara? Iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo; nefa hoy izy ireo: Tsy hizotra amin’iny izahay.
17
Ary nasiako mpitily teo aminareo hiteny hoe: Henoy ny feon’ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.
18
Koa henoinareo, ry Jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
19
Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin’ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; fa tsy nihaino ny teniko izy ary nolaviny ny lalànako.
20
Nahoana Aho no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba sy veromanitra avy any amin’ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo manontolo ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.
21
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hasiako fahatafintohinana eo amin’ity firenena ity ka samy ho tafintohina amin’izany ny ray mbamin’ny zanany; ho faty ny mpiaramonina mbamin’ny namany.
22
Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, misy firenena avy any amin’ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.
23
Tsipìka sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina ary mitaingin-tsoavaly izy sady voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
24
Renay ny lazany ka miraviravy tanana izahay; fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy eo am-piterahana.
25
Aza mandeha ho any an-tsaha ary aza mankeny amin’ny lalambe; fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampihorohoroana avy amin’ny manodidina.
26
Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao ary mihosena lavenona ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
27
Ho mpizaha toetra ao amin’ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba hahafantaranao sy hizahanao toetra ny alehany.
28
Tena mpikomy maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy olona; varahina sy vy izy; samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.
29
May ny tafoforana, levon’ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan’ny mpandrendrika, nefa tsy voaisotra ny ratsy.
30
Ataon’ny olona hoe volafotsy tsy ilaina izy satria tsy ilain’NY TOMPO.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52