bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 7
Jeremiah 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 8 →
1
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO:
2
Mijoroa eo am-bavahadin’ny tranon’NY TOMPO, ary torio eo izao teny izao ka lazao hoe: Mihainoa ny tenin’NY TOMPO ianareo, ry Joda rehetra izay miditra amin’ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’NY TOMPO.
3
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo.
4
Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’NY TOMPO, tempolin’NY TOMPO, tempolin’NY TOMPO ity!
5
Fa raha ahitsinareo tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, raha mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany ianareo,
6
ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, na mandatsaka ran’ny tsy manan-tsiny amin’ity tany ity sady tsy manaraka andriamanitra hafa hahatonga loza aminareo,
7
dia hamponeniko amin’ity tany ity ihany ianareo, eto amin’ny tany nomeko ny razanareo, hatramin’ny ela ka ho mandrakizay.
8
E! Ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa akory izany.
9
Hay! Hangalatra sy hamono olona ary hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy to sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ny Baala sady hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo?
10
Nefa mbola avy miseho eto anatrehako amin’ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka miteny hoe: Efa voavonjy izahay ka izany no nanaovanay ireo fahavetavetana rehetra ireo!
11
Moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy NY TOMPO.
12
Fa mandehana ianareo any amin’ny fitoerako izay tao Silo, dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ny Israely oloko.
13
Koa ankehitriny, hoy NY TOMPO, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny taminareo nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho nefa tsy novalinareo,
14
koa dia ho toy ny nataoko tamin’i Silo no hataoko amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy hataoko amin’ny toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
15
ary hesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’i Efraima rehetra.
16
Koa aza mivavaka ho an’ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona Amiko, fa tsy hihaino anao Aho.
17
Tsy hitanao va ny ataon’ireo any an-tanànan’ny Joda sy any an-dalamben’i Jerosalema?
18
Manangona kitay ny ankizy, mandrehitra afo ny rainy, ary mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra ny vehivavy. Manolotra fanatitra aidina ho an’ny andriamanitra hafa izy ireo mba hampahasosotra Ahy.
19
Moa Izaho va no ampahasosorin’ireo, hoy NY TOMPO, fa tsy ny tenany ihany ka hampahamenatra ny tavany?
20
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako dia haidina amin’ity tany ity, dia amin’ny olona sy ny biby fiompy, amin’ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; dia hirehitra izany ka tsy ho faty.
21
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Aoka ny fanatitra dorana manontolo ho naman’ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, koa mihinàna hena.
22
Fa tsy niteny na nandidy momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa tamin’ny razanareo Aho tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.
23
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ho oloko ianareo ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
24
Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny fa nandeha tamin’ny fisainany sy ny ditran’ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika Ahy.
25
Hatramin’ny andro nivoahan’ny razanareo avy tany amin’ny tany Ejipta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha vao maraina isanandro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
26
Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao izay ratsy mihoatra noho ny razany aza.
27
Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo dia tsy hihaino anao izy; ary na dia antsoinao aza izy dia tsy hamaly anao.
28
Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamaniny sady tsy mino anatra; very ny fahamarinana fa tsy eo am-bavany intsony.
29
Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fisaonana any an-tendrombohitra mangadihady satria lavin’NY TOMPO sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
30
Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak’i Joda, hoy NY TOMPO, mametraka ny fahavetavetany ao amin’ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
31
Ary izy dia nanorina ireo toerana fanaovana sorona any Tofeta izay ao amin’ny Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo; nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
32
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hiantsoana azy intsony hoe Tofeta na Lohasahan’ny taranak’i Hinoma, fa Lohasahan’ny famonoana olona kosa; ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren’ny tany.
33
Ary ny fatin’ity firenena ity dia ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ka tsy hisy hanaitaitra azy.
34
Dia hatsahatro any an-tanànan’ny Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina; fa ho lao ny tany.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52