bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 12
Jeremiah 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 13 →
1
Raha mifandahatra aminao aho, TOMPO ô, dia Ianao no marina; nefa aoka ihany kosa aho mba handahatra Aminao: Nahoana ary no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpikomy rehetra?
2
Nambolenao izy ka mamaka; mitombo izy ka mamoa; manakaiky Anao amin’ny vavany izy nefa manalavitra Anao amin’ny fony.
3
Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala ahy; mahita ahy Ianao sady mizaha toetra ny foko, fa ao Aminao izy. Avaho toy ny ondry hovonoina ireny ary atokàny ho amin’ny andro hamonoana azy.
4
Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany sy hahalazoan’ny ahitra eny amin’ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; fa hoy ireo: Tsy mba mahita izay hoavintsika Izy.
5
Raha niara-nihazakazaka tamin’izay mpandeha an-tongotra ianao ka tsy naharaka azy dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin’ny tany mandry fahalemana ihany no anananao toky dia hanao ahoana kosa ianao, raha tonga any amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana?
6
Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ny rainao aza dia samy namitaka anao; eny, niantso mafy tao aoriananao ireo. Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy ireo.
7
Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; ny sombin’aiko dia natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony.
8
Amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any anaty ala; mierona Amiko izy ka halako.
9
Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo Amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia ka angony ny bibidia rehetra, ampanatony ireny hihinana.
10
Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra.
11
Nataony lao izany, eny, lao izy ka nitomany teo anatrehako; nataony lao avokoa ny tany rehetra satria tsy nisy nandatsaka am-po.
12
Ny mpandrava dia tonga any amin’ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-tany efitra; fa misy sabatry NY TOMPO mandringana hatrany amin’ny faran’ny tany ka tsy misy fiadanana ho an’ny nofo rehetra.
13
Vary no nafafiny, nefa tsilo no nojinjainy; nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very maina izany; dia hangaihay noho ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO.
14
Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ireo firenena ratsy fanahy rehetra mifanakaiky sisintany amin’ny oloko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan’ny Israely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin’ny taniny ireo ary ny taranak’i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.
15
Nefa nony efa voaongotra izy dia hamindra fo aminy indray Aho ka samy hoentiko mody any amin’ny lovany sy ny taniny avy indray izy.
16
Koa raha mba nianatra ny fanaon’ny oloko tokoa ireo ary hianiana amin’ny anarako hoe: Velona NY TOMPO, tahaka ny nampianaran’ireo ny oloko hianiana amin’ny Baala, dia haorina ao amin’ny oloko izy.
17
Fa raha tsy hankatò kosa izy dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy NY TOMPO.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52