bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 37
Jeremiah 37
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 38 →
1
I Zedekia mpanjaka, zanak’i Josia, no nanjaka nandimby an’i Jekonia, zanak’i Joiakima, fa nampanjakain’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tao amin’ny tanin’ny Joda izy;
2
nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka dia samy tsy nihaino ny tenin’NY TOMPO, izay nampilazainy an’i Jeremia mpaminany.
3
Ary i Zedekia mpanjaka dia naniraka an’i Jehokala, zanak’i Selemia, sy i Zefania, zanak’i Mahaseia, mpisorona, ho any amin’i Jeremia mpaminany hiteny hoe: Mba mivavaha re ho anay amin’NY TOMPO Andriamanitsika!
4
Tamin’izany dia mbola afaka nivezivezy teo amin’ny olona ihany i Jeremia; fa tsy mbola nataony tao an-tranomaizina izy.
5
Ary efa niainga avy tany Ejipta ny miaramilan’i Farao ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’i Jerosalema, dia niala tao Jerosalema.
6
Dia tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny tenin’NY TOMPO hoe:
7
Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izao no lazaonareo amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hankaty Amiko mba hanontany Ahy: Indro, ny miaramilan’i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Ejipta taniny;
8
fa ho avy indray ny Kaldeana dia hamely ity tanàna ity sady haka azy ary handoro azy amin’ny afo.
9
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mamita-tena foana ianareo ka miteny hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
10
Fa na dia mamely ny miaramilan’ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo ka izay voalefona no ho sisa velona dia samy hitsangana avy ao anaty tranolainy ireo ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo.
11
Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan’ny Kaldeana noho ny amin’ny miaramilan’i Farao
12
dia nivoaka avy tao Jerosalema i Jeremia hankany amin’ny tanin’ny Benjamina mba handray izay anjara lovany eo amin’ny vahoaka.
13
Nony tonga teo am-bavahadin’i Benjamina izy dia indro, ny lehiben’ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’i Selemia, zanak’i Hanania, no teo; dia nisambotra an’i Jeremia mpaminany izy ka niteny hoe: Miray tetika amin’ny Kaldeana ianao.
14
Fa hoy i Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin’ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo ka nosamborin’i Jiria ihany i Jeremia ary noentiny ho ao amin’ny mpanapaka.
15
Ary tezitra tamin’i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-tranomaizina tao amin’ny tranon’i Jonatana mpitantsoratra; fa izany no nataony tranomaizina.
16
Ary naiditra tao an-tranomaizina, tao amin’ny efitra iray, i Jeremia, ary efa nitoetra tao andro maro izy.
17
Ary nandefa iraka haka azy i Zedekia mpanjaka; dia nanontany azy mangingina tao an-tranony ny mpanjaka hoe: Moa misy teny avy tamin’NY TOMPO tokoa va? Dia hoy i Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ianao.
18
Hoy koa i Jeremia tamin’i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin’ny mpanomponao, na tamin’ity firenena ity, no dia nataonareo an-tranomaizina aho?
19
Aiza moa ireo mpaminaninareo izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’i Babilona?
20
Koa trara antitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! Miankohoka eto anatrehanao aho, raiso ny fiangaviako ka aza averina ho ao amin’ny tranon’i Jonatana mpitantsoratra aho, fandrao dia maty ao.
21
Dia nasain’i Zedekia mpanjaka nataony teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana i Jeremia ka nasainy nomena mofo iray isanandro avy any amin’ny fitoeran’ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran’i Jeremia teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52