bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 49
Jeremiah 49
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 50 →
1
Ny amin’ny taranak’i Amona. Izao no lazain’NY TOMPO: Moa tsy manan-janakalahy va Israely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana i Gada no lasan’ny mpanjakany? Ary nahoana ny vahoakany no monina ao amin’ny tanànany?
2
Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hampandrenesako akoran’ady amin’ny famelezana an’i Raba an’ny taranak’i Amona, ho tanàna haolo tanteraka izy, hodorana amin’ny afo ny vohitra miankina aminy; ary haka indray ny anjara lovany amin’ireo izay nandroba azy ny Israely, hoy NY TOMPO.
3
Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava i Ay! Miantsoantsoa mafy, ianareo zanakavavin’i Raba! Misikìna lamba fisaonana ianareo; manaova fisaonana ary mandehandehana eo anaty fefin’ny manda; fa lasan-ko babo ny mpanjakany sy ny mpisorony ary ireo mpanapaka azy.
4
Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be, ry zanakavavy mpikomy, izay mitoky amin’ny harenany ka miteny hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?
5
Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’izay rehetra manodidina anao, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; ary horoahina samy hizotra amin’izay hitsiny avy ianareo rehetra sady tsy hisy hamory izay mandositra.
6
Ary rehefa afaka izany dia hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany ny taranak’i Amona, hoy NY TOMPO.
7
Ny amin’i Edoma. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Tsy misy tolo-tsaina intsony va avy amin’ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
8
Mandosira, miverena ianareo, mamitsaha ao amin’ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ataoko mihatra amin’i Esao ny loza, dia ny andro hamaliako azy.
9
Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; raha avy alina ny mpangalatra dia tsy hijanona handrava izy raha tsy afa-po.
10
Izaho dia nampitanjaka an’i Esao, ary naharihariko ny fiereny ka tsy mahazo miery intsony izy; ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany ka tsy ao intsony ireny.
11
Ilaozy ny zanakao ho kamboty fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian’ny vadinao mpitondratena.
12
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, moa ho afa-maina va ianao? Tsy ho afa-maina ianao fa tsy maintsy hisotro tokoa.
13
Fa ny tenako no nianianako, hoy NY TOMPO, fa ho tonga figagana i Bozra, ho tonga fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ho lao mandrakizay ny tanànany rehetra.
14
Fa efa nahare filazana avy tamin’NY TOMPO aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny Jentilisa hilaza hoe: Mivoria ianareo ka mankanesa hamely azy ary mitsangàna hanafika.
15
Fa indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ny firenena ianao ary fanazimbazimba eo amin’ny olona,
16
ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, izay mifikitra amin’ny tampon’ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ny fonao no namitaka anao; fa na dia ataonao eny amin’ny avo tahaka ny an’ny voromahery aza ny akaninao dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO.
17
Ho figagana i Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
18
Toy ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna teny akaikiny, hoy NY TOMPO, no tsy hisian’ny olona honina any, na zanak’olombelona hivahiny any.
19
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy, satria hampandosiriko tampoka hiala tao Edoma, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy? Iza no hifandahatra Amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
20
Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, toy ny kely indrindra amin’ny andian’ondry; ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
21
Tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; ny feon’ny fitarainany dia re hatrany amin’ny Ranomasina Mena.
22
Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin’i Bozra; ary amin’izany andro izany, ny fon’ny lehilahy maherin’i Edoma dia ho tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.
23
Ny amin’i Damaskosy. Very hevitra i Hamata sy i Arpada fa nandre filazana loza izy ka kivy; misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tony.
24
Efa ketraka i Damaskosy ka mihodina handositra fa tora-kovitra izy; ary azon’ny faharariana sy ny fanaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.
25
Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanàna nifaliako?
26
Noho izany dia hiampatrampatra eny amin’ny kianja ny zatovony, ary ho ringana avokoa ny miaramila rehetra amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
27
Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin’ny mandan’i Damaskosy, handevona ny lapan’i Beny-Hadada.
28
Ny amin’i Kedara sy ny fanjakan’i Hazora, izay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona. Izao no lazain’NY TOMPO: Mitsangàna ianareo ka miakara hamely an’i Kedara ary aringano ny zanaky ny Atsinanana.
29
Halainy ny tranolainy sy ny ondry aman’osiny, hoentiny ny ambaindainy mbamin’ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy izy hoe: Misy fampangorohoroana manodidina!
30
Mandosira ka mandehana lavitra! Mamitsaha any amin’ny lalina, ry mponina any Hazora! Hoy NY TOMPO; fa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hahavoa anareo.
31
Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy NY TOMPO, dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka-monina.
32
Ho babo ny ramevany ary horobaina ny omby aman’ondriny betsaka, haeliko ho any amin’ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; ary hoentiko avy amin’ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy NY TOMPO,
33
Ary i Hazora dia ho fonenan’ny amboadia sy ho tany lao mandrakizay; tsy hisy olona honina any, na zanak’olombelona hivahiny any.
34
Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’i Elama tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda:
35
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan’i Elama, izay fototry ny heriny.
36
Ary hitondra rivotra efatra avy amin’ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an’i Elama. Ary haeliko ho amin’izany rivotra rehetra izany izy ka tsy hisy firenena izay tsy halehan’ny voaroaka avy any Elama.
37
Fa hampivadi-po an’i Elama eo anoloan’ny fahavalony sy eo anoloan’izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan’ny fahatezerako, hoy NY TOMPO; ary hampanenjehiko azy ny sabatra mandra-pandaniko azy;
38
Dia hapetrako ao Elama ny sezafiandrianako, ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy NY TOMPO.
39
Nefa amin’ny ho avy dia mbola hampodiko avy amin’ny fahababoany ihany i Elama, hoy NY TOMPO.
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 50 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52