bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 46
Jeremiah 46
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 47 →
1
Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny Jentilisa.
2
Ny amin’i Ejipta. Ny amin’ny miaramilan’i Farao-Neko, mpanjakan’i Ejipta, izay teny amoron’ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:
3
Mivonòna amin’ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mandrosoa hiady;
4
fehezo amin’ny kalesy fitondra miady ny soavaly ary itaingeno ny soavaly fitaingina; mijoroa tsara ianareo ka samia misatroka fiarovan-doha; fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tratra.
5
Indrisy inona ity hitako! Raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy NY TOMPO.
6
Tsy ho afa-mandositra ny haingam-pandeha, na ho afaka ny mahery; any avaratra eo amoron’ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
7
Iza moa izato mizotra tahaka an’i Neily ary misamboaravoara toy ny renirano ny onjany?
8
Ejipta dia mizotra tahaka an’i Neily sady misamboaravoara toy ny renirano ny onjany; ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
9
Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy fitondra miady; ary aoka hiainga ny lehilahy mahery, dia ny Kosy sy ny Pota izay mitana ampinga, ary ny Loda izay mitana sy manenjana tsipìka.
10
Fa izao andro izao dia an’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; dia hihinana ny sabatra ka ho voky ary ho mamon’ny ran’ireo; fa ny Tompo, dia NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin’ny tany avaratra eo amoron’ny ony Eofrata.
11
Miakara any Gileada ka makà balisama, ry Ejipta zanakavavy virijiny; foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana fanafody hanasitranana ny ferinao ianao.
12
Efa ren’ny firenena ny henatrao ary ny fiantsoantsoanao dia nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery ka miaraka lavo izy roa tonta.
13
Ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny hiavian’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely ny tany Ejipta.
14
Ambaraonareo any Ejipta ary torio any Migdola, eny, torio any Nofa sy Tapanesa ka lazao hoe: Mijoroa tsara ianao ka miomàna; fa mandringana manodidina anao ny sabatra.
15
Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy satria NY TOMPO no nandroaka azy.
16
Efa nahatafintohina ny maro Izy ka lavo mifanindry ireo; dia hoy ireo: Mitsangàna ka andeha isika hiverina ho any amin’ny firenentsika sy ho any amin’ny tany nahaterahantsika ho afaka amin’ny sabatra mandoza.
17
Nantsoina hoe: Tabataba foana i Farao, mpanjakan’i Ejipta, nefa nandiso ny fotoana nifanarahana izy.
18
Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, ny anarany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tahaka an’i Tabara amin’ny tendrombohitra sy tahaka an’i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hiaviany.
19
Ry mponina ao Ejipta, ampirimo ny entana hoentinao any amin’ny fahababoana; fa ho tonga tany lao Nofa, eny, hodorana izy ka tsy hisy mponina.
20
Ejipta dia tahaka ny ombivavy kely tena tsara tarehy; Fa injay tamy! Eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!
21
Na dia ny olona mpikarama an’ady ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; tsy mahajanona izy fa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
22
Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; fa mandeha mitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin’ny famaky toy ny mpikapa hazo.
23
Kapainy ny alany, hoy NY TOMPO, satria efa nikirindro loatra; fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina.
24
Ho afa-baraka i Ejipta zanakavavy, hatolotra eo an-tanan’ny olona any avaratra izy.
25
Ary hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hovaliko i Amona avy any No, ary i Farao sy i Ejipta mbamin’ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia i Farao sy izay rehetra matoky azy;
26
ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Ary aorianan’izany, dia ho azo honenana toy ny tamin’ny andro fahiny ihany indray izy, hoy NY TOMPO.
27
Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Israely! Fa indro, hovonjeko avy any amin’ny tany lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin’ny tany nahababo azy; dia hiverina i Jakoba ka hiadana, eny, handry fehizay izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.
28
Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy NY TOMPO, fa momba anao Aho. Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao dia tsy mba holevoniko ianao, nefa kosa mba hanariko araka ny fitsarako ihany ianao fa tsy dia havelako fotsiny.
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 47 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52