bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 8
Jeremiah 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 9 →
1
Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ny mpanjakan’ny Joda, ny taolan’ny lehibeny, ny taolan’ny mpisorona, ny taolan’ny mpaminany ary ny taolan’ny mponina any Jerosalema,
2
ka haeliny eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin’ny lanitra izay tiany sy notompoiny, izay narahiny sy notadiaviny ary niankohofany teo anatrehany. Tsy hangonina na halevina intsony ireny fa hatao zezika eny ambonin’ny tany.
3
Ary ny sisa rehetra amin’ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin’ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
4
Lazao aminy koa hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
5
Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no mikomy ka tsy mety mitsahatra mihitsy? Mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ka tsy mety miverina.
6
Nihaino Aho ka nandre fa milaza teny tsy marina izy. Ary tsy misy manenina ny amin’ny haratsiany hoe: Inona ity nataoko ity! Izy rehetra dia samy mivily eny am-pandehanany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin’ny ady.
7
Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa dia samy mitandrina ny fotoana fiverenany avy; fa ny oloko kosa dia tsy mba mahalala ny fitsipiky NY TOMPO.
8
Ahoana no itenenanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalànan’NY TOMPO? Nefa ny fanoratan-daingan’ny mpanoradalàna no mahatonga azy ho lainga.
9
Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra izy, voasambotra izy; indro, nolaviny ny tenin’NY TOMPO, koa inona intsony no fahendrena ananany?
10
Noho ireo dia homeko ho an’ny hafa ny vadiny ary ho an’izay maka azy ny sahany, satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena; na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
11
Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nitenenany hoe: Fiadanana, fiadanana! Kanjo tsy misy fiadanana akory!
12
Nitafy henatra izy noho ny nanaovany fahavetavetana; nefa tsy mba nahatsiaro menatra akory izy ary tsy mba tsapany ny hadisoany. Koa ho lavo miaraka amin’izay lavo izy, amin’ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, hoy NY TOMPO.
13
Hojinjaiko avokoa izy rehetra, hoy NY TOMPO; tsy mamoa ny voaloboka ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny ary nanendry izay hanitsakitsaka azy Aho.
14
Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda ka ho faty ao; fa efa nanendry antsika ho faty NY TOMPO Andriamanitsika ka nanome rano misy poizina hosotrointsika noho ny nanotantsika tamin’NY TOMPO.
15
Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; ary andro fanasitranana, kanjo indro fampatahorana.
16
Ny fiefonefon’ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon’ny soavaliny matanjaka; fa avy izy ka handany ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.
17
Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon’ody ka hanaikitra anareo ireny, hoy NY TOMPO.
18
Indrisy! Enga anie ka hisy fampifaliana ho ahy eto amin’ny alaheloko fa reraka ny foko ato anatiko.
19
Injany! Misy feo fitarainan’ny oloko zanakavavy avy any amin’ny tany lavitra hoe: Moa tsy ao Ziona intsony va NY TOMPO? Ary tsy ao aminy intsony va ny mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy tamin’ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ny zava-poana avy amin’ny firenena hafa ireny?
20
Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.
21
Torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy; misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.
22
Moa tsy misy balisama va any Gileada? Moa tsy misy mpitsabo va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?
23
Enga anie ka ho feno rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko mba hitomaniako andro aman’alina ireo voavono amin’ny oloko zanakavavy!
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52