bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 42
Jeremiah 42
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 43 →
1
Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy i Johanana, zanak’i Karea, ary i Jazania, zanak’i Hosaia, mbamin’ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
2
ka niteny tamin’i Jeremia mpaminany hoe: Miangavy anao izahay, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba mivavaha re ho anay amin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ireto sisa rehetra ireto, fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan’ny masonao izao,
3
mba hambaran’NY TOMPO Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.
4
Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa indro, hivavaka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’NY TOMPO anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
5
Dia hoy izy tamin’i Jeremia: NY TOMPO no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika raha tsy manatanteraka araka ny teny rehetra izay anirahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao aminay izahay.
6
Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’NY TOMPO Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitray izahay.
7
Nony afaka hafoloana dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’NY TOMPO.
8
Ary izy dia niantso an’i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin’ny olona rehetra, na kely na lehibe,
9
ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanirahanareo ahy mba hanaborahako eo anatrehany ny fifonanareo:
10
Raha mbola honina amin’ity tany ity ihany ianareo dia haoriko ianareo fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo fa tsy hongotako; fa manenina Aho ny amin’ny loza namelezako anareo.
11
Aza matahotra ny mpanjakan’i Babilona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy NY TOMPO, fa momba anareo Aho ka hamonjy sy hanafaka anareo amin’ny tanany.
12
Ary hataoko mahita famindrampo ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin’ny taninareo.
13
Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin’ity tany ity izahay ka tsy hihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo
14
fa miteny hoe: Tsia; hankany amin’ny tany Ejipta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon’ny anjomara na hahitanay mosary, ka any no honenanay,
15
dia mihainoa ny tenin’NY TOMPO ankehitriny ianareo izay sisa amin’ny Joda: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Raha mikiry hankany Ejipta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any
16
dia hahatratra anareo any amin’ny tany Ejipta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin’ny tany Ejipta, ary any no hahafaty anareo.
17
Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Ejipta hivahiny any dia ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy.
18
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Toy ny nampidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponina any Jerosalema dia toy izany no hampidinana ny fahatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana ary ho fanozonana sy ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
19
NY TOMPO efa nilaza taminareo, ry sisa amin’ny Joda hoe: Aza mankany Ejipta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko ianareo androany.
20
Kanjo namita-tena ihany ianareo tamin’ny nanirahanareo ahy ho any amin’NY TOMPO Andriamanitrareo hiteny hoe: Mba mivavaha re ho anay amin’NY TOMPO Andriamanitsika, ary izay rehetra holazain’NY TOMPO Andriamanitsika dia ambarao aminay fa hataonay.
21
Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo ny amin’izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
22
Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin’ny tany izay tianareo hivahiniana.
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 43 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52