bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 10
Jeremiah 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 11 →
1
Henoy ny teny izay lazain’NY TOMPO aminareo, ry taranak’Israely!
2
Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mianatra ny fanaon’ny Jentilisa; aza matahotra ireo famantarana eny amin’ny lanitra; fa ny Jentilisa no matahotra izany.
3
Fa ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana; hazo nokapaina tany an’ala ireny, asan-tanan’ny mpahay taozavatra amin’ny famaky;
4
volafotsy sy volamena no andravahany azy ary fantsika sy maritoa no entiny manamafy azy mba tsy hihetsiketsehany.
5
Toy ny tsangankazo voaravaka izy fa tsy mahateny, entina foana izy fa tsy mba afa-mandeha; ary aza matahotra azy fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
6
Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô; lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.
7
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ny firenena! Fa mendrika Anao izany, fa amin’ny hendry rehetra amin’ny firenena sy amin’ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
8
Fa kentrina sy adala avokoa izy rehetra. E! Zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.
9
Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza izany, asan-tanan’ny mpahay taozavatra sy ny mpanefy volamena; lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; asan’ny manan-talenta izy rehetra.
10
Fa NY TOMPO no Andriamanitra marina, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay, izay mampihorohoro ny tany amin’ny fahatezerany ka tsy tantin’ny firenena ny fahavinirany.
11
Izao anefa no holazainareo amin’ireny: Ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra.
12
NY TOMPO no nanao ny tany tamin’ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.
13
Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany.
14
Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; mitafy henatra noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika sady tsy misy fofonaina akory ao aminy.
15
Zava-poana ireny, dia asan-tanana mahatsikaiky sy tsinontsinona; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
16
Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba; fa mpamorona ny zavatra rehetra Izy; ary ny Israely no firenena lovany; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany.
17
Angony ny korontan’entanao hiala amin’ny tany, ry ilay mipetraka anatin’ny fahirano!
18
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton’antsamotady ny mponina amin’ny tany, ary hotereko ao anatin’ny fahirano izy mba tsy hisokatra ny masony.
19
Lozako! Torotoro aho! Tsy azo sitranina ny feriko; nefa hoy aho hoe: Anjara fahoriako izao ka hozakaiko ihany.
20
Rava ny tranolaiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; lasa ny zanako ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny tranolaiko intsony na hanenjana ny ambaindaiko.
21
Fa efa tonga kentrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady NY TOMPO; izany no tsy mahahendry azy ka miely ny ondry andrasany rehetra.
22
Injany misy resaka mandeha hoe: Indro, tamy amin’ny fihorakorahana be avy any amin’ny tany avaratra izy mba hahatonga ny tanànan’ny Joda ho lao sy ho fonenan’ny amboadia.
23
TOMPO ô, fantatro fa tsy miankina amin’ny olombelona ny lalan-kalehany, ary tsy miankina amin’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.
24
TOMPO ô, anaro aho, nefa araka ny fitsaranao ihany fa tsy amin’ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.
25
Aidino amin’ny Jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ny taranaka izay tsy miantso ny anaranao; fa mandripaka an’i Jakoba ireo, eny, mandripaka sy mandringana azy, eny mandrava ny fonenany.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52