bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 50
Jeremiah 50
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 49
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 51 →
1
Izao no teny nampilazain’NY TOMPO an’i Jeremia mpaminany ny amin’i Babilona, dia ny tanin’ny Kaldeana.
2
Ambaraonareo, eny, torio any amin’ny firenena, ary manangàna faneva, torio fa aza afenina, lazao hoe: Azo i Babilona! Mangaihay i Bela, raiki-tahotra i Merodaka! Eny, mangaihay ireo sarin-javatra nataony ary raiki-tahotra ny sampiny!
3
Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa.
4
Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy NY TOMPO, dia ho avy ny Zanak’Israely, dia izy mbamin’ny taranak’i Joda; eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady NY TOMPO Andriamaniny.
5
Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hiatrika hankany ka hiteny hoe: Avia ka maneke NY TOMPO amin’ny fanekena mandrakizay tsy hohadinoina.
6
Ondry very ny oloko, fa nampirenireny azy ny mpiandry azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny ka hadinony ny tany fatoriany.
7
Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony dia niteny hoe: Tsy manan-keloka izahay satria nanota tamin’NY TOMPO, fonenan’ny fahamarinana izy, dia NY TOMPO, fanantenan’ny razany.
8
Mandosira hiala an’i Babilona, eny, mialà amin’ny tanin’ny Kaldeana, ary aoka ho tahaka ny osy mitari-dalana ny andian’ondry ianareo.
9
Fa indro, hanaitra sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an’i Babilona Aho; ary ireo dia hilahatra hamely azy, koa avy ao no hahazoany azy; ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay ny zana-tsipìkany ka tsy miverina foana.
10
Ary ho voababo i Kaldea; izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy NY TOMPO.
11
Satria mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely eny amin’ny ahitra ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;
12
ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; indro, izy no farany amin’ny firenena, tany efitra sy tany karankaina ary tany ngazana!
13
Noho ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy honenana i Babilona fa ho tonga tany lao avokoa; izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
14
Milahara manodidina an’i Babilona hamelezana azy, ianareo rehetra izay manenjana tsipìka; asio izy, fa aza tsitsìna ny zana-tsipìka, fa tamin’NY TOMPO no nanotany.
15
Akoray manodidina izy! Manatsotra ny tanany izy; nirodana ny fotony, rava koa ny mandany; fa famalian’NY TOMPO izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.
16
Aringano tsy ho any Babilona ny mpamafy sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny fararano; fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin’ny taniny avy.
17
Ondry iray very lalana ny Israely, liona no nanenjika azy. Ny voalohany nandany azy dia ny mpanjakan’i Asiria, ary ny farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ity izay nanapatapaka ny taolany.
18
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hovaliko ny mpanjakan’i Babilona sy ny taniny, toy ny efa namaliako ny mpanjakan’i Asiria.
19
Ary hampodiko ho any amin’ny saha fiandrasana azy indray ny Israely ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; ary any amin’ny tany be havoana any Efraima sy Gileada no hahavoky azy.
20
Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany, hoy NY TOMPO, dia hotadiavina izay heloky ny Israely fa tsy hisy; ary izay fahotan’ny Joda fa tsy ho hita; satria havelako ny helok’izay sisa narovako.
21
Iakaro i Merataima sy ny mponina ao Pekoda, ravao sy aringano ho toy ny zavatra voaozona ireo, hoy NY TOMPO, ary tanteraho izay rehetra nandidiako anao.
22
Misy tabataban’ady amin’ny tany ary misy fandringanana be.
23
Indrisy! Tapaka sy torotoro ilay tantanana namely ny tany rehetra; efa tonga figagana any amin’ny firenena i Babilona.
24
Nofandrihako ianao, ry Babilona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; hita ka voasambotra koa ianao satria nila ady tamin’NY TOMPO.
25
Novohan’NY TOMPO ny trano fitoeram-piadiany ka navoakany ny fitaovan’ny fahatezerany; fa misy raharaha hataon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, any amin’ny tanin’ny Kaldeana.
26
Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontam-bary, ka levòny ho toy ny zavatra voaozona avokoa izay ao, fa aza avela hisy sisa ho azy.
27
Vonoy ireo ombilahy rehetra ary aoka hidina ho any amin’ny famonoana ireo. Mahita loza izy fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy.
28
Injany misy feon’izay mandositra sy izay afaka avy any amin’ny tany Babilona, hanambara ny famalian’NY TOMPO Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
29
Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an’i Babilona, dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; mitobia manodidina hamely azy; aoka tsy hisy ho afa-miala izy; valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony no mba ataovy aminy kosa; fa niavonavona tamin’NY TOMPO izy, dia tamin’ny Iray Masin’ny Israely.
30
Koa hiampatrampatra eny amin’ny kianja ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO.
31
Indro, hiatrika anao Aho, ry Babilona mpiavonavona, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.
32
Ho tafintohina i Babilona mpiavonavona dia ho lavo ka tsy hisy hanarina azy; ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
33
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Niara-nampahorina ny Zanak’Israely sy ny taranak’i Joda: ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy.
34
Mahery anefa ny Mpanavotra azy, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany; handahatra ny adiny tokoa Izy mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babilona kosa.
35
Indro, hisy sabatra hamely ny Kaldeana mbamin’ny mponina any Babilona sy ny mpanapaka azy ary ny olon-kendriny, hoy NY TOMPO.
36
Indro, hisy sabatra hamely ny mpibedibedy ka ho very saina ireny; Indro, hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny ka hivadi-po ireny.
37
Indro, hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesy fitondrany miady mbamin’ny olona samihafa firenena rehetra ao aminy ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro, hisy sabatra hamely ny trano fitahirizany ka horobaina izany.
38
Ny fihantonan’ny andro no mahatankina ny ranony; fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary mahalasa adala azy ny sampiny mahatahotra.
39
Koa ny bibidia any an-tany efitra sy ny kary ary ny aotirisy no honina ao; tsy honenana intsony izany mandrakizay ary tsy hitoerana hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
40
Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna eny akaikiny, hoy NY TOMPO, no tsy hisian’ny olona honina any, na zanak’olombelona hivahiny any intsony.
41
Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro izay mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.
42
Tsipìka sy lefona no entiny; lozabe sy tsy mamindra fo izy; ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy, ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady, ady hamelezana anao, ry Babilona zanakavavy.
43
Efa ren’ny mpanjakan’i Babilona ny lazany ka miraviravy tanana izy; fahoriana no mahazo azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy eo am-piterahana.
44
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy; nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy; fa iza no tahaka Ahy? Iza no hifandahatra Amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
45
Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Babilona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin’ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ny ondry; ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
46
Noho ny antsoantso hoe: Efa azo i Babilona, dia mihorohoro ny tany ary ny fitarainana dia re any amin’ny firenena.
← Chapter 49
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 51 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52