bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Jeremiah 5
Jeremiah 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 6 →
1
Mandehandehana eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo ka zahao sy fantaro ary tadiavo eny amin’ny kianja, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’i Jerosalema.
2
Ary na dia misy aza miteny hoe: Raha velona koa NY TOMPO dia fianianana mandainga izany.
3
TOMPO ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Ianao, nefa tsy nahatsiaro narary izy; nandripaka azy Ianao, nefa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina Taminao izy.
4
Dia hoy aho hoe: Olona mahantra ireto; adala izy fa tsy mahalala ny lalan’NY TOMPO, na ny fitsipik’Andriamaniny;
5
Aleoko mandeha ho any amin’ny lehibe ka hiteny aminy; fa ireny dia mahalala ny lalan’NY TOMPO sy ny fitsipik’Andriamaniny; kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy namaha fatorana.
6
Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ala ary mandringana azy ny amboadia avy any an-tany efitra; miandry hamely ny tanànany ny leoparda, koa izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fikomiany.
7
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka nianiana tamin’izay tsy Andriamanitra; novokisako izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohotra niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga.
8
Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’izay tiany, samy naneno tamin’ny vadin’ny namany avy.
9
Tsy hovaliko va izy amin’izany? Hoy NY TOMPO; ary tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?
10
Miakara ao amin’ny tanim-boalobony ianareo ka poteho, nefa aza dia levonina avokoa izy; esory ny rantsany satria tsy an’NY TOMPO ireny.
11
Fa efa nivadika Tamiko mihitsy ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, hoy NY TOMPO.
12
Nahafoy NY TOMPO izy ireo ka niteny hoe: Tsy Izy no izy; tsy hisy loza hanjo antsika ary tsy hahita sabatra na mosary isika.
13
Hanjary rivotra ny mpaminany ary tsy hisy ny teny ao aminy, eny, izany no hanjo azy.
14
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Noho ny nitenenanareo izany teny izany dia indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao ary ho kitay hazo ity firenena ity ka holevoniny.
15
Indro, hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO, dia firenena tsy mety resy, firenena hatry ny ela, firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny sady tsy ho azonao izay lazainy.
16
Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.
17
Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, hohaniny ny ondry aman’osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao sady horavany amin’ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.
18
Nefa na dia amin’izany andro izany aza, hoy NY TOMPO, dia tsy holevoniko avokoa ianareo.
19
Ary raha hoy ianareo: Nahoana NY TOMPO Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamanitra hafa teo amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo.
20
Ambarao ao amin’ny taranak’i Jakoba, ary torio ao amin’ny Joda hoe:
21
Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso nefa tsy mahita, ary manan-tsofina nefa tsy mandre:
22
Izaho va tsy atahoranareo? Hoy NY TOMPO; tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako izay nanao ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony ihoarana? Koa na dia mitopatopa aza ny onjany dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza dia tsy mahahoatra azy.
23
Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy mikomy; mikomy izy dia lasa nandeha,
24
ary tsy miteny anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika izay mandatsaka ranonorana, dia ny lohaorana sy ny faraorana amin’ny fotoanany avy; ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika.
25
Ny helokareo no nampikorontana izany ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
26
Fa ratsy fanahy maro no hita ao amin’ny oloko; mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, manao vela-pandrika izy ka olona no azony.
27
Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.
28
Mihamatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy; tsy mety mitsara ady izy mba hahazoan’ny kamboty ny rariny, kanefa mahomby ihany amin’ny ataony, ary tsy mba jereny ny zon’ny mahantra.
29
Tsy hampamoahiko amin’izany va izy? Hoy NY TOMPO; tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?
30
Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ny tany;
31
maminany lainga ny mpaminany, manapaka araka izay atoron’ireny ny mpisorona, ary mankasitraka izany ny oloko; koa hanao ahoana re ianareo amin’ny ho avy?
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52